Politique

Fifidianana filoha sy depiote Mandresy no toromarika ho an’ny TIM


  • Zoma 24 Novambra 2017

Tsy niandry ela fa ny ampitson’ny nihaonany tamin’ny delegasionin’ny vondrona Afrikanina notarihan’i Ramtane Lamamra dia nizara ny vaovao tamin’ireo mpiara-miasa akaiky aminy sy ireo lohandohan’ny mpisorona avy ao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara teny Faravohitra, omaly vao maraina, Atoa Marc Ravalomanana.

 

 Mazava ny toromarika : miomana hiatrika ny fifidianana ny TIM. Fifidianana solombavambahoaka sy filohan’ny repoblika no resaka eto satria, izay no mety hitranga amin’io taona ho avy io. Foana hatreo ny resaka « ni…ni »,  hoy i Marc Ravalomanana ka tsy maintsy efa manoman-tena amin’ny fifidianana ho avy isika. Aparitaka any amin’ireo mpikambana TIM rehetra manerana ny nosy ny toromarika sy ny paikady amin’izany. Mazava ny tanjona dia ny hahazoana ny fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana. Manana vinam-piarahamonina sy fandaharanasa matotra hanarenana ny firenena ny Tiako i Madagasikara ka i Marc Ravalomanana no mpitarika. Efa misimisy ihany ny faritra notsidihana manerana ny nosy, manodidina ny distrika 75 amin’ireo 119, ka nanentanan’i Marc Ravalomanana ny olony ao anatin’ny TIM mba hivonona amin’ny fifidianana. Tonga ankehitriny ny fotoana, « The time is now » araka ilay teny filamatra ka mandresy no toromarika. Antoko lehibe ny TIM ary mahafeno ny fepetra hitantana ny firenena ary efa manana traikefa amin’ny raharaham-pirenena, antoko afaka nitraka taorian’ny krizy goavana, antoko mafy orina eto Madagasikara sady tsara fifandraisana amin’ny any ivelany, manana ny olony any anatin’ireo rafitra goavana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, mahay manetsika ireo diaspora Malagasy any ivelany. Tsy angano na honohono fa tena hanao zavatra ny Tiako i Madagasikara tarihan’i Marc Ravalomanana amin’ny 2018.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT