Politique

Fifidianana filoha sy depiote Hosakanana ireo kandida tsy miankina ?


  • Alarobia 31 Janoary 2018

Kotrehina tsy havela hirotsaka ireo kandida mahaleotena amin’ny fifidianana ho avy eo na amin’ny fifidianana filoham-pirenena io na ny solombavambahoaka. Azo adika avy hatrany ho fanilihana sy famerezan-jo ny olom-pirenena te hirotsa-kofidiana izany.

  Na fikambanana aza dia kilasiana ho kandida tsy miankina. Tombanana avy hatrany fa hatao mba hampisongadinana ny antoko matanjaka, indrindra ny antokon’ny fitondrana, ka ny sary famantarana no tena hampiadiana ao anatiny fa tsy ny maha izy azy ny kandida iray ao anatin’ny fiarahamonina. Aminay manokana, tsy mety ny fanakantsakanana ny zo fototra voafaritry ny lalàmpanorenana, hoy i Andrianina Rajoharison avy amin’ny fikambanana politika Andrianiko ny Tanindrazako manoloana ity toe-javatra ity. Afaka miady malalaka ho an’ny fampandrosoana ny kandida lany tamin’ny alalan’ny tsy miankina. Tsara ihany koa anefa no mampahatsiahy fa ny tsy miankina no lasa vondrona parlemantera HVM rehefa novidian’ny fanjakana tao anatin’ny antenimieram-pirenena. Tsy misy teritery politika firy ho an’ny tsy miankina satria io no anisan’ny olana amin’ny antoko. Tsy hanaiky lembenana an’ity fikatsahana hanilika ny kandida tsy miankina ity noho izany ny fikambanana maro be sy ireo mihevitra ny hirotsaka amin’ny alalan’ny tenany manokana. Hisy ny valandresaka sy fanambarana lehibe hanoherana izany hatao eny Ambondrona ny 9 febroary izao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT