Hita tamin’ny hetsika fambolen-kazo teny Imerinkasinina ny sabotsy lasa teo fa mbola matanjaka sy mahazaka olona ny antoko Tiako i Madagasikara, ary olona resy lahatra tsy mba notezaina tamin’ny resaka tombontsoa kely mampifalifaly na nozaraina vola mba ho avy no hita.
Teo ihany moa ny resaka fambolen-kazo fa anisan’ny resaka fandre matetika amin’ireo zanak’i Dada ny fifidianana filoham-pirenena manaraka, izay tombanana fa ho amin’ny 2018 moa. Amin’ny maha antoko ny antoko politika dia manana fandaharanasa sy vinam-piarahamonina izy, ary tanjona ny hahazo fitondrana ka hampihatra io fandaharanasa io mba hampandrosoana ny firenena sy hanomezana fiainana tsaratsara kokoa ho an’ny mpiray tanindrazana.Manana an’io ny TIM, tsy vao izao fa efa hatramin’ny 2001, saingy ny fanontaniana mbola tsy ahitam-baliny mahafa-po hatramin’izao dia ny hoe :fa iza ary no ho kandidan’ity antoko ity amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo, ilay izy aloha tsy maintsy misy fa ny anarana izany no mbola mistery hatreto. Raha ny resaka tamin’ny 2009 no tohizana dia i Marc Ravalomanana no kandida, tsy mbola nisy fanamafisana an’io anefa hatreto, izy tenany rahateo rehefa anontaniana dia tsy manao eny ary tsy manao tsia. Maro koa no mihevitra fa Rtoa Lalao Ravalomanana no ho kandida ary efa hatramin’ny 2013 no nanomanana izany, ary tsy nitsahatra nampitombo ny fahalalany sy ny fahaiza-manaony ara-politika i Neny nanomboka tamin’io daty io satria, hono, efa manana tanjona goavana. Hatreto aloha dia ben’ny tanàn’Antananarivo izy ary tsy mbola nisy filazana koa fa kandida filoha izy afaka 2 taona.Fomba fiasan’i Dada sy Neny ary efa tafita any amin’ny mpiara-miasa amin’izy ireo ilay hoe :tsy be resaka fa miasa mangina, ary rehefa hanao zavatra dia sahy ary tena atao tsara koa dia andrasana izay mety ho fivoaran’ny toe-draharaha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.