Politique

Fifidianana filoha – 2018 Ahiana hampikorontana indray


  • Zoma 10 Febroary 2017

Manindry mafy ny hamelana malalaka ireo kandida rehetra mba hirotsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo ny mpiara-miombon’antoka sy mpiara-miasa amin’i Madagasikara hatramin’ny enim-bolana faharoan’ny 2016 no ho mankaty.

 

 Nanamafy Atoa Antonio Benedito Sanchez filohan’ny delegasionin’ny vondrona eoropeanina eto Madagasikara tamin’ity herinandro ity fa tokony havela handray anjara malalaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena ireo mpitarika antoko sy vondrona politika maniry ny hanao izany. Inona no tena tao ambadika ? Fanajana ny demokrasia sy ny safidim-bahoaka tokoa ve sa misy resaka hafa ? Etsy an-kilan’izay mantsy, efa tena miketrika mafy ihany koa ny olon’ny fitondrana HVM mba hanakanana ny filatsahan-kofidian’ny mpanao politika sasany sokajiany fa lehibe sy mety hahazo vato betsaka. Io ilay resaka “ni…ni” efa nitranga tamin’ny 2013 izay voalaza fa nisy dian-tanan’ny sehatra iraisam-pirenena. Ankehitriny anefa dia io sehatra iraisam-pirenena io ihany indray no milaza fa aleo hirotsaka daholo izay te hirotsaka. Efa tena latsaka an-katerena i Madagasikara. Samy resy lahatra amin’izany ny rehetra. Ny mampatahotra anefa dia toa misy teti-panorana hafahafa miainga ka kendrena mihitsy ny mbola hisian’ny krizy tahaka ny efa mahazatra eto isaky ny misy fifidianana. Ny fampihavanam-pirenena tokony hatao taorian’ny krizy tamin’ny 2009 tsy vita akory dia efa hazakazaka any amin’ny fifidianana indray no mahamaika, misy tsy mazava ihany a ! Sa mbola tena mitohy ny tetika fanaovana ny zarazarao hanjakana mba hitsentsefana ny harem-be misy eto amin’ity Madagasikara ity ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT