Politique

Fifidianana feno lesoka Tezitra amin’ny CENI ny olona


  • Alatsinainy 02 Desambra 2019

Nisokatra nanomboka omaly 1 desambra ho an'ny olompirenena ny lisi-pifidianana, izay azo jerena sy hamarinina isam-pokontany. Araka ny lalàna, isan-taona,

 

 ny 1 desambra hatramin'ny 15 mey no fotoana voatondro hanavaozana ny lisi-pifidianana. NY 28 febroary ny famaranana vonjimaika ny lisi-pifidianana. Aorian'ireo dia miakatra eny amin'ny "Centre informatique de District" (CID) ireo boky firaketana ny fanavaozana isam-pokontany, arakitra ara-kajimirindra ary hatonta vonjimaika ny lisi-pifidianana. Averina eny amin'ny fokontany ny lisitra natonta vonjimaika, natao hojeren'ny olompirenena rehetra ary afaka manao fanamarihana na fanitsiana ny olompirenena raha toa ka mahita tsy fahatomombanana (ohatra : diso fanoratra, misy fahadisoana ny mombamomba ilay mpifidy, sns). Mandritra ny 20 andro aorian'ny fahatongavan'ny lisitra vonjimaika: fanamarinana ny lisi-pifidianana (vérification) ataon'ny mpifidy rehetra, fanaovana fanitsiana sy fanamarihana. Kihena tsy hifankahitana kosa no mahazo ny CENI eo anatrehan’io, toy ny hoe: ny lisi-pifidianana aza efa novainareo nanalanareo izay tsy netinety taminareo sy nampidiranareo izay mety aminareo, ravao any aloha io CENI io ary havereno ny fifidianana ben’ny tanàna, lany fotoana ny olona manoratra anarana avy eo ny lisitra lazaina fa tsy ho kitihana intsony kanefa ny anaran’ny olona efa ao manjavona tampoka, fifidianana 3 karazany be izao tsy mba misy afaka nakana lesona mihitsy ka mahalala menatra dia aza midongy toerana,… Milamina hatrany, hoy ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny firesaka diplomatika satria tsy izy ireo indray no handrehitra afo eto, fa raha ny tena zava-misy, dia maro no tezitra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT