Politique

Fifidianana eto Madagasikara Tsy tokony ho sakana ny kara-pifidianana


  • Zoma 22 Jolay 2016

Mbola sakana lehibe amin’ny fifidianana eto Madagasikara ny resaka kara-pifidianana. Vola be no atokana hanontana izany any ivelany. Tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany, ohatra, dia

           

kara-pifidianana miisa 8 060 000 no natonta ary  tsy maintsy niampy 2 tapitrisa amboniny izany. Ny fananana kara-panondro sy fahatafidirana ao anaty lisitra dia efa tokony ho ampy, toy izay niseho tamin’ny fifidianana lalàmpanorenana ny taona 2010 ka tokony hotazonina izany. Ny fanisana mpifidy rahateo dia havaozina in-droa isan-taona ka tsy tokony ho olana raha tena manao ny asan’ ny tompon’andraikitra. Tsy maharisika ny olona hifidy mantsy ny fotoana lany amin’ny fikarohana ny kara-pifidianana. An-kavitsiana rahateo no ahitana fokontany na kaominina mizara izany. Raha samy handany vola ihany dia tsaratsara amintsika ny miditra amin’ny lafiny teknolojia toy ny fampiasana solosaina any amin’ireo biraom-pifidianana hahafahana manara-maso ny lisitra sy hanamorana ny asa. Azo atao tsara ny manofana ny tanora Malagasy amin’izany raha ny tsy fahafehezana solosaina no olana saingy ny finiavana no tsy ampy. Ny fanaraha-maso dieny izao ny lisi-pifidianana mba ahafahana mifidy no tokony hohamafisina. Tokony hampiasa ireo teknolojia tahaka ny finday ihany koa isika mpiray tanindrazana ahafahana mizara haingana ny vokatra. Sady fomba fanao any amin’ny firenena maro izany no taratry ny fandrosoana koa tsaratsara amintsika ny miditra amin’ny tontolon’ny teknolojia raha tiana ny hisian’ny fifidianana tsara karakara.

                                                                                     Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT