Politique

Fifidianana eto Iarivo Miketrika mafy ny karana …


  • Alatsinainy 18 Novambra 2019

Kihon-dalana farany ho an’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ben’ny tanàna ity herinandro ity. Amin’ny heriny anio dia ny alatsinainy 25 novambra no hikatona tanteraka izany.

 

Ho an’i Rina Randriamasinoro manokana, kandida atolotry ny TIM, dia nafana ny Diabe na “Carnaval” nanerana ny tanàna omaly hariva. Samy manana ny paikadiny ny kandida. Mandeha ny tetika ambony latabatra hibatana fandresena. Ny avy amin’ny TIM ny faran’ny herinandro teo dia nanao ilay ampamoaka momba ny fanabontsinana lisi-pifidianana. Naneho fa nahatsikaritra ny famoriana sefom-pokontany teny Antanimena, kanefa tsy tompon’andraikitra ara-panjakana no miantso. Izy ireo anefa no mikirakira ny lisi-pifidianana ary miantsoroka ny fandrindrana ankapobeny eny amin’ny fokontany sy ny birao fandatsaham-bato. Ahiana ny fanambazana sy ny tonta vola hanodinkodinana ny safidim-bahoaka sy hanao hala-bato. Misy kandida misera sy mikaon-doha mangina amin’ny mpandraharaha karana toy ny tsikaritra tamina hotely iray teto an-drenivohitra ny sabotsy teo, saingy tsy fantatra marina ny votoatiny. Mety paikady, mety ho fiaraha-miasa tsy misy hidiran’ny fifidianana. Ao anatin’ny fotoan’ny fampielezan-kevitra anefa izany, ka misintona ny saina hieritreritra fa misy resa-politika. Rehefa miresaka karana, dia tsy sanatria fankahalana vahiny fa nisy fotoana re siosio tamin’ny famatsiam-bola mpanao politika. Nahenoana izany ny raharaha fanonganam-panjakana 2009, ny fifidianana filoha tamin’ny 2018,… satria misy olona ahiana sy hatahorana hikitika ny bizina sy ny afera ka hatao izay tsy hahalany azy. Tombanana fa kotrehina ihany koa izany amin’izao fotoana. Ny kandida sy ny vahoaka no mila mailo sy hanokatra ny sainy sy masom-panahiny amin’izay.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT