Politique

Fifidianana depiote Mila fiomanana dieny izao


  • Alakamisy 24 Janoary 2019

Vita iny ny fifidianana filohan`ny Repoblika. Efa voatendry io koa ny praiminisitra vaovao ka tsy tokony hipetrapetraka intsony ny eo anivon`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI).

 

 

Raha ny toromarika avy amin`ny depiote Voahangy Ramananarivo, izay voafidy teny Atsimondrano, dia mila misoratra anarana ny olom-pirenena mahafeno fepetra mba tsy ho very intsony ny zony ho an`ny fifidianana manaraka, ka ny akaiky indrindra dia ny fifidianana depiote .Anisan`ny olana fototra tamin`ny fifidianana farany teo tokoa ny lisi-pifidianana. Efa tamin`ny 01 desambra 2018 no nisokatra ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana. Hofaranana vonjimaika ny 15 febroary izany ary hofaranana tanteraka ny 15 mey 2019; mbola manana hatramin’ny 15 aprily ny olom-pirenena hanamarinana sy hanoraatana ny anarany ao anaty lisi-pifidianana ka tsy tokony ho variana. Hihaona amin’ny mpanao gazety amin’ity anio ity ry zareo avy ao amin’ny CENI, hiresaka ny fifidianana filoham-pirenena farany teo ary heverina ihany koa fa efa hanao tari-dresaka momba ny fifidianana solombavambahoaka izay re fa tsy maintsy hotanterahana amin’ny enim-bolana voalohan’ity taona ity.Maro ny lesona tokony horaisina tamin`iny fifidianana filohan`ny Repoblika iny. Ankoatra ny lisi-pifidianana dia olana ihany koa ny biletà tokana.Somary manakaiky kokoa ny vahoaka (vote de proximitè) ny fifidianana solombavambahoaka ka mila mampiseho fomba fiasa matihanina ireo tomponandraikitra indrindra amin`ny fangaraharana, satria hiteraka savorovoro isam-paritra mety ho sarotra alamina raha sanatria ka hisy isam-bato mifamadika indray.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT