Nivoaka tamin’ny fahanginana omaly ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny.
Nambarany tamin’izany fa tsy nisy mpitondra lanim-bahoaka teto amintsika ka tsy nieritreritra ny hampandroso an’i Madagasikara saingy voafehin’ny lalàna avokoa ka tsy afa-manoatra. Ao amin’ny Antenimieram-pirenena no tena misy ny lesoka, antony tsy maintsy handraisan’izy ireo anjara amin’ny fanavotana ny firenena. Handrotsaka kandida maro ny fikambanana HAFARI mandritra ny fifidianana solombavambahoaka izay hotanterahina eto amintsika. Saika ahitana izany avokoa manerana ny distrika maro ka ny tanjon’ny fikambanana dia ny hananantsika Malagasy solombavambahoaka afaka handany ireo karazan-dalàna mifanaraka amin’ny filaminam-bahoaka sy ny fivoaran’ny toetrandro. Misy amin’ireo karazan-dalàna eto amintsika, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, no efa lany andro tanteraka toy ny lalàna momba ny fananan-tany, ny tokantrano ka mila ovaina tanteraka. Miantso ny rehetra mba samy handray anjara amin’ireo karazana fifidianana hotanterahina eto amin’ny firenena ny fikambanana HAFARI Malagasy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.