Fifidianana depiote

> Kandida tsy miankina ao Mananjary i Gége Bosco


  • Talata 24 Septambra 2013

Hilatsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana indray amin’ny fifidianana ho solombavambahoaka any Mananjary i Andriamanampisoa Gégé Bernard.

Izany, hoy izy nanoloana ny vahoaka tany an-toerana ny alahady teo, dia mba ho fanajany ny fanapahan-kevitry ny antoko tsy hiandany na amin’iza na amin’iza amin’ity fifidianana hotanterahina ity. Omaly izay andro farany amin’ny fanaterana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana izay no nanatitra ny azy ao amin’ny biraon’ny OVEC any Mananjary. Nanambara ampahibemaso ihany koa i Gégé Bosco fa hifanolo-tanana ny kandidà Edgard Razafindravahy ny tenany ho amin’ny fahatanterahan’ny vinan’izy ireo mifanakaiky dia ny fanafahana ny firenena anaty krizy. Efa natombony tamin’izao fidinany an-tanindrazany izao izany fiaraha-miasa izany tamin’ny alalan’ny fampahafantarana ny vahoakan’i Mananjary an’ity kandidà ity.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT