“Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino”. Izay no filamatr’Atoa Ratsimbazafy Mamonjy kandida faha-12 hifaninana ho solombavambahoaka ao Toamasina I.
Nanatitra ny antontan-taratasy ho firotsahany teo anivon’ny OVEC izy sy ny ekipany ny alarobia 11 septambra teo. Nomarihan’Atoa Ratsimbazafy Mamonjy fa kandida mahaleotena izy, fa mpiara-miombona antoka sy mpanampy azy fotsiny ireo fikambanana sy antoko politika manodidina azy, toy ny FITAMA na Fikambanan’ny Tanoran’i Toamasina izay nantsangany nentina niarovana ny hasina sy hery ary hevitry ny tanoran’i Toamasina. Antony telo no nambaran’ity kandida ity ho nahatonga azy hifaninana, dia ny fanarenana an’i Toamasina, fanovana ny fanaovana politika ho tena antoky ny fampandrosoana marina, ary ny fiarovana ny tombontsoan’ny tanora Malagasy, indrindra fa ny tanoran’i Toamasina. Nampiany fa fotoana tena tokony hitondran’ny tanora ny anjara birikiny ho an’ny firenena izao. Mpiray lisitra aminy Rtoa Ramiadaniry Elie Berthina Kharen sy ireo mpisolo toerana dia Atoa Rakotoharijaina Rodolphe, Atoa Lesy Razafimamonjy Etienne ary Rtoa Hanta Vololona Emelie Clara.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.