Fifidianana

> Na ny olom-panjakana aza tsy resy lahatra


  • Alakamisy 03 Oktobra 2013

Mampanahy ny maro ny fomba fanantanterahana ny fifidianana amin’izao fotoana raha ny zava-misy any ambanivohitra no jerena.

Raha ny resaka nifanaovana tamina manampahefana iray izay nisafidy ny tsy hotononina anarana dia tetika hankatoavana fotsiny ny tetezamita ity fifidianana ity ary fanomanana izany no ataon’ny olom-panjakana maro amin’izao fotoana. Nambarany fa na izy manampahaizana sy mahay momba ny lalàna aza tsy resy lahatra amin’ny fampiasana ity biletà tokana ity, mainka fa ireo any ambanivohitra. Nijoroany vavolombelona ny zavatra hitan’ny masony sy ny reny nandritra ny fitsidihina nataony tany amin’ny Distrikan’Antsirabe faharoa fa maizina amin’ny olona ny fampiasana ny biletà tokana. Raha ny resaka reny dia efa misy fanomanana (?) olona hampianatra ny mpifidy rehefa miditra ny birao fandatsaham-bato ka hanoro ny olona izay faritra hasiana mariky ny safidy, amin’ny andron’ny latsa-bato. Toa manamafy ny voalazan’ity tompon’andraikitra ity moa ny tsy fisian’ny fampianarana ny olona ny endriky ny biletà tokana sy ny fampiasana azy amin’izao andro faha-22 mialoha ny fifidianana izao, ary ankoatra izany dia tsy misy mihitsy ny hetsika ataon’ny rantsan’ny CENI-T rehetra na eo anivon’ny Distrika io na ny Kaominina hatramin’izao na dia lazaina aza fa vonona amin’ny fifidianana ny mpikarakara, ary porofon’izany dia mbola banga tanteraka ny anjara tabilaon’ny “Officiel”, kanefa tokony ho eo no hipetahan’ny toromarika ara-panjakana amin’ny fifidianana. Tsy azo antoka, araka izany, ny mety hampangarahara ity fifidianana ity raha ny hevitry ny olom-panjakana ihany no  arahina. Mahalasa saina!

Caïus Raharison

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT