Efa notaterina teto ihany fa nisy ny tsapan-kevitra nataon’ny vahiny momba ny kandida mety ho tafiditra any amin’ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara.
Manaraka akaiky ny zava-misy eto amintsika mantsy ireo firenena miara-miasa sy mifandray amintsika, izy ireo rahateo mety efa manana ny kajikajy politikany ny amin’izay filoha mety azo iaraha-miasa, na tena azo atao saribakoly tsotra izao. Ny Frantsay manokana dia efa fantatry ny rehetra fa miditra lalina amin’ny raharaha politika eto Madagasikara, nanomboka tamin’ny 2008 rehefa nahatsiaro tsy dia nahazo avara-patana tamin’ny fitondrana Ravalomanana. Rehefa tonga ny fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina dia nibitaka ny Frantsay fa manomboka tafaverina eto indray amin’ny fiarovana ny tombontsoany amina sehatra maro. Raha fifidianana no resahana dia maro no mihevitra fa manana ny kandida tohanany i Frantsa, ary ankehitriny dia efa mora ny mamantatra io kandida io, fa sady be vola izy, ampy ara-pitaovana, mampiasa olona maro mandritra ny fampielezan-kevitra, mirohotra miara-dia aminy ireo mpikaraman’ady politika ary mifanerasera aminy matetika ireo mpanolotsain’ny filohan’ny tetezamita.
Ny mampanahy amin’ny raharaha tahaka izao dia sao tadiavina atao eto Madagasikara ny nitranga tany Cote d’Ivoire ka efa fantatra mialoha ny ho filoham-pirenena fa mba fombafomba fotsiny no natao nandrotsa-bato. Ny tena mampatahotra dia efa miparitaka ny feo tato ho ato fa misy mitady hamboly korontana, izay mety ho tonga hatrany amin’ny ady an-trano mihitsy eto. Tsy misy moa ny maniry hiavian’ny ratsy, afa-tsy ny fahavalom-pirenena ihany angamba, saingy tena sarotra ny vanim-potoana andalovan’ny firenena ankehitriny ka mila fahamailoana sy fandinihana tsara. Misy mitady hanao amboletra hampandany ny kandidany eto, na inon-kidona na inon-kihatra. Ireo olona ireo ihany no efa tao ambadiky ny fanonganam-panjakana, ny resaka «ni…ni», miditra amin’ny dingana manaraka izy ireo ankehitriny dia ny fametrahana ny olony hitantana an’i Madagasikara.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.