Fifidianana

> Mipatitaka ny TGV


  • Zoma 20 Septambra 2013

Mandalo fotoan-tsarotra ny antoko TGV na Tanora Malagasy Vonona.

Dimy volana taorian’ny nanatanterahany kongresy nasionaly voalohany, teny Andranomena, izay nanapahany fa Atoa Edgard Razafindravahy no kandidan’ity antoko ity amin’ny fifidianana filoham-pirenena ary hitana ny andraikitry ny Sekretera jeneralin’ny antoko io kandida io araka ny sata mifehy ny antoko, dia roso nanao kongresy tsy ara-potoana  indray omaly alakamisy 19 septambra nanova ny tapaka teny Andranomena. Ny Sekretera nasionaly Faritany Toliara, Tinoka Roberto no nitondra ny tatitra. Mikasika ny fifidianana izay ho filoham-pirenena dia tapaka nandritra ity kongresy tsy ara-potoana ity fa homena fahafahana ny mpikambana tsirairay hanohana ny iray amin’ny kandida Hery Rajaonarimampianina sy Edgard Razafindravahy, fa ireo no heverin’izy ireo fa mifanaraka amin’ny foto-kevitra ijoroan’ny antoko TGV. Nasiam-panitsiana koa ny rafitra sy ny sata mifehy ny antoko, ka nofoanana ny toeran’ny Sekretera nasionaly foibe sy ny Sekretera jeneraly, fa ireo fiaraha-mitantan’ireo Sekretera nasionaly faritany no manodina ny biraon’ny antoko. Midika io fa dia very seza izany Rtoa Lanto Rakotomavo, Atoa Edgard Razafindravahy moa efa nametra-pialana amin’ny toerana maha Sekretera jeneraly azy rahateo. Mikasika ny fifidianana solombavam-bahoaka indray dia tsy handeha irery ny TGV fa hiaraka amin’ny vondrona ahitana ireo antoko sy fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina, filoha mpanorina ny TGV.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT