Fifidianana

> 4 farafahakeliny no kandidan-dRajoelina


  • Alakamisy 19 Septambra 2013

Miverina ho ankolafy lehibe roa indray izao no mifaninana amin’ny fifidianana izay ho avy eo na ny filoham-pirenena izany na solombavambahoaka. An-daniny ireo mpanongam-panjakana tamin’ny 2009 sy ny ekipany ary an-kilany kosa ny ankolafin’ireo izay voaongana.

Raha tsorina dia fifanandrinan’ny ankolafy Rajoelina sy ankolafy Ravalomanana no endrika ho hita amin’ny fifidianana. Mihodinkodina eo amin’izay daholo aloha raha ny fahitana ireo kandida 33 mianadahy, ary raha misy aza ny tsy momba ny atsy na ny aroa dia mety roa na telo monja izany. Na vita na tsy vita ny fampihavanam-pirenena dia tsy maintsy hita eo amin’ny tontolo politika foana amin’izay manomboka izao ireo ankolafy roa ireo. Ny antony dia satria tena endrika isehoan’ny ady amin’ny fanjanahana moderina no natrehan’i Madagasikara efa taona vitsivitsy izao. Na dia nanaiky ny hiaraka hiasa tamin’ny tany ivelany aza ny fitondrana Ravalomanana dia efa nanana ny paikadiny hahazoan’ny Malagasy tombony. Fiaraha-miasa no atao fa tsy fanambakana, hoy Atoa Marc Ravalomanana izay. Tsy naharesy tosika ny fihazakazak’ireo te hamerina indray ny fanjakazakan’ny Frantsay teto moa iny fitondrana iny ary dia nirodana. Mazava ny tenin’ny amiraly Didier Ratsiraka fa niangavy azy ny Frantsay mba hanampy an’i Andry Rajoelina handrodana an-dRavalomanana. Tsy mila fanazavana fanampiny intsony izany fa dia mazava. Koa raha izay no foto-kevitra hiaingana dia mbola zanaka am-pielezan’ny mpanongam-panjakana sy mpandrombaka fahefana izany ireto kandida maro be ireto.

Misy ny mody miady na mifangarika saingy efa fantatra fa tsy maintsy hiara-dia ihany any aoriana rehefa tonga ny fotoana. Manana kandida efatra farafahakeliny ny ankolafy Rajoelina amin’io fifidianana io dia Atoa isany Hajo Andrianainarivelo, Edgar Razafindravahy, Camille Vital ary Hery Rajaonarimampianina. Raha ny kandida tohanan’ny ankolafy Ravalomanana, ohatra, no hifaninana amin’iray amin’ireo kandida ireo any amin’ny fihodinana faharoa dia azo antoka fa hanohana ilay kandidan’ny ankolafy Rajoelina ny ankamaroan’ireo kandida nahita tombontsoa sy nahazo toerana tao anatin’ny tetezamita. Ireo izay mandinika tsara ny raharaha politika dia mahatakatra fa efa ela no nanao kajy ny fitondrana FAT ka tanjony ny hanakana amin’ny fomba rehetra ny fiverenan-dRavalomanana sy ny ekipany eo amin’ny fitondrana. Vao mainka anefa nampirehitra ny hambom-pon’ny mpomba ny filoha teo aloha sy ireo rehetra leo izao tetezamita izao ary ny zava-misy, ka nilaza ireo fa hanao izay tsy hibodoan’ny mpanongam-panjakana ny fitondrana.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT