Politique

Fifidianana Birao maharitra CST Mety hisy “surprise” anio


  • Talata 06 Desambra 2011

Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena taorian’ny fametraham-pialana tohivakana nataon’ireo mpikambana voatendry ho ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita (CT) sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST), nanomboka tamin’i Francky Andriamanjaka (UAMAD) nanda ny fanendrena azy ho CT, narahin-dRtoa Saraha Georget Rabeharisoa (Maitso) nametra-pialana tsy ho CST ary ny nilazan-dRaharinaivo Andrianatoandro (TIM) omaly fa hiala tsy ho mpikambana CT koa ny tenany.

 Betsaka ny zavatra tsy nampoizina nitranga, ary mbola mety hitohy io “surprise” io indrindra teo anatrehan’ireny fanambarana nataon’ny Praiminisitra Omer Beriziky omaly, manamafy fa tsy mbola feno ny fepetra hiverenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazana, sy ny filazan’ny minisitry ny fitsarana Razanamahasoa Christine fa mbola mila fankatoavan’ny Parlemanta ny tondrozotra vao hanan-kery ho azo ampiharina. Nanampy trotra io ny fanambarana miendrika fanilikilihana nataon’i Andry Rajoelina, taorian’ny nandraisany ny ambasadaoro Soisa teny Iavoloha ny zoma lasa teo. Mahita ny maro fa dia tandindomin-doza ny tondrozotra. Io rahateo no nampihemotra ny ankolafy Zafy Albert, ka tsy nanolorany hatramin’izao ny lisitr’ireo olona avy ao aminy hotendrena CT sy CST fa itakiany ny hamoahana ireo gadra politika, hamohana ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT, hamelana malalaka ireo sesitany politika hody an-tanindrazana tsy misy fepetra.

Ny ankolafy Ravalomanana kosa dia nanolotra lisitra ary feno ny toerana 57 anjarany ao amin’ny CT sy ny 30 ao amin’ny CST na dia niteraka adihevitra teo amin’ny samy mpiara-dia aza io fidirana anaty rafitry ny tetezamita io. Raha ny re hatreto aloha dia tsy nanome tsodrano mivantana azy ireo, ny filoha Marc Ravalomanana, fa kosa nametraka mazava ny andraikitra amin’ireo mpitarika eto an-toerana amin’izay heverin’izy ireo fa mahasoa ka hahatanteraka ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana. Fanontaniana mipetraka anefa na izany ny hoe inona no hitranga anio, andro izay hifidianana ireo mpikambana ao amin’ny Birao maharitry ny CST ? Hiroso sa hiala ka hametra-pialana ny ankolafy Ravalomanana ? Totoafo ny fivoriana sy ny fifanatonana hatry ny omaly.

Ny fantatra dia tsy handrotsaka kandida ho eo amin’ny toeran’ny filohan’ny CST ny ankolafy Ravalomanana raha hanohy ny dia ao anaty rafitra, ary dia hanohana an’i Lahiniriko Jean, kandidan’ny UDR-C, fa any amin’ny filoha lefitra no hanolotra an’i Manandafy Rakotonirina (MFM) sy Naika Eliane (TIM). Mbola baraingo anefa izay mety hiseho anio satria fantatra fa nisy fivoriana notarihin’ny jeneraly Dolin Rasolosoa teny Anosikely teny omaly hariva, mikasika ity fananganana birao maharitra ao amin’ny CST ity. Raha ny resaka mandeha mantsy dia tsy hanaiky mora ny fanilihana azy tsy ho kandida ho filohan’ny CST ny jeneraly Dolin. Ny alina anefa mitondra fisainana, ka zavatra mety hiseho koa ny hoe : hametra-pialana faobe izy ireo manoloana ny fahatsapana fa mitombo hatrany ny sakantsakana tsy hahaterahan’ny tondrozotra, indrindra ny andininy faha-20 miresaka ny fodian’ireo sesitany politika, ka anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana. Inona koa no hiseho eny Tsimbazaza rahampitso, hifidianana ny Birao maharitra ao amin’ny Kongresy ? Ny fanohanana hataon’ny ankolafy Ravalomanana amin’ny kandidan’ny UDR-C etsy Anosikely, dia toa fambara fa efa mandry ny resaka ho an’i Mamy Rakotoarivelo, kandidan’ny ankolafy Ravalomanana ho eo amin’ny toeran’ny filohan’ny Kongresy raha hanohy ny dia ihany.

Miteraka adihevitra anaty eo amin’ny samy olom-boatendry ao amin’ny ankolafy Ravalomanana anefa ny amin’io “resaka efa mandry” io. Misy loharanom-baovao milaza mantsy fa hentitra i Andry Rajoelina milaza fa tsy maintsy i Mamy Rakotoarivelo no filohan’ny Kongresy ! Izay ve no nanapahan-dRaharinaivo Andrianatoandro hevitra tampoka omaly fa hiala tsy ho mpikambana CT izy ary tsy ho kandida na efa nilaza aza izy teny Ivato fa mbola vonona ? Raha izay mantsy ny fipetrany, dia nampietry ny lanja politikan-dry Raharinaivo sy ireo olona niara-dia ny zava-mitranga ankehitriny, ary miharihary eto fa dia fitserana no mbola nahatafidiran’izy ireo ho CT sy CST. Betsaka, araka izany, ny “surprises” mety mbola hitranga atao anatin’ny 24 ora manomboka eto.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT