Raha anio 24 septambra no nofaritan’ny lalàna hivoahan’ny lisitra ofisialin’ireo kandida nahafeno fepetra handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ny 27 novambra,
dia efa vita omaly ny atsapaka ho an’ny filaharana amin’ny biletà tokana ho an’ny eto Antananarivo sy ny kaominina maro eto amin’ny Nosy. ity ny fisarihana nandaharana ireo kandida ao anaty bileta tokana. Ato amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, dia laharana voalohany (N°1) ao anaty bileta tokana ny kandida Ralaiarimanana Elias (Tsy miankina), laharana faharoa (N°2) Randriamasinoro Tahiry Ny Rina (TIM), laharana fahatelo (N°3) Rakotoarisoa Faniry Alban (APM), laharana fahaefatra (N°4) Naina Andriantsitohaina (IRD), ary laharana fahadimy (N°5) Andrianjoelina Feno Harison (Tsy miankina). Nangataka ireo kandida Ben’ny tanàna miisa efatra ankoatran' i Feno Harison ny mba hampitoviana ny laharana ao amin’ny biletà tokana ho an’ny kandida Ben’ny tanàna sy ny kandida Mpanolontsain’ny tanàna, ka nanaiky izany CENI. « Aoka ny lalàna no ampiharina, fifidianana roa samihafa io ka tokony hisy fisarihana roa samihafa », hoy kosa ny kandida Feno Harison. Nanamafy ihany koa i Lalatiana Ravololomanana, izay kandida lisitra tsy miankina amin’ny fifidianana Mpanolontsain’ny tanàna, fa tokony hisy fisarihana hafa ho an’ny fifidianana Mpanolontsain’ny tanàna. Noho izany, dia niverina tamin’ny heviny ny CENI, ka nirosoana ny fisarihana mitokana. Laharana faha-2 ny IRK nandrotsaka an’i Naina Andriatsitogaina amin’io, faha-3 tahaka amin’ny filaharany amin’ny Ben’ny tanàna ihany ny APM mandrotsaka an’i Faniry Alban Rakotoarisoa, raha to aka faha-4 kosa ny TIM. Mety hanahirana kely ny mpifidy io!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.