Ho tapitra anio ny fe-potoana handraisana ny antontan-taratasin’ireo kandida ben’ny tanàna sy mpanolotsaina kaominaly. 3 andro ny fotoana ananan’ny OVEC hanamarinana ny antontan-taratasy, ka ny 17 septambra ny CENI no hamoaka ny lisitr’ireo kandida.
Ireo toerana mety tsy hisy kandida mihitsy, dia hanaovana fifidianana manokana, izany hoe hihemotra, raha ny nambaran’ny filoha lefitry ny CENI Atoa Philbert Hervé Randriamanantsoa. Nitombo ny fahalainan’ny olom-pirenena amin’ny fanaterana antontan-taratasy filatsahan-kofidiana. Ireo mpifidy koa tsy rototra intsony amin’ny fanaraha-maso ny anarany anaty lisi-pifidianana ary tsy taitra amin’ny vaovao manodidina ny fifidianana ben’ny tanàna, na amin’ireo tanan-dehibe aza. Inona no mety ho antony ? Malaza ratsy ny fifidianana eto Madagasikara noho ny herin’ny vola sy ny fanararaotam-pahefana amin’ny endriny rehetra. Fividianana no misy fa tsy fifidianana. Malaina ireo kandida mianto-tena na avy amin’ny antoko satria efa mihevitra fa ny kandidam-panjakana no handrombaka ny fandresena. Tsy mahazo manolotra kandida ihany koa moa ny fikambanana fa tsy maintsy amin’ny anarana antoko na vovonana misoratra ara-dalàna eny amin’ny minisiteran’ny atitany. Raha hahemotra ny fandraisana dosie, dia ho hetihety be ny fotoana satria misy ireo efa nanatitra dosie mety efa hanao “pré-campagne” hifangaro voraka ao ny zava-drehetra ary mety hitarika savorovoro any anaty fiarahamonina io. Toa manaporofo izao fa tsy nilamina tokoa ny fifidianana filoham-pirenena sy depiote farany teo. Hihena ny tahan’ny fandraisan’anjaran’ireo mpifidy, izany hoe ho lany amina isam-bato maivana ny ben’ny tanàna manaraka eo, ka mety tsy hanana erijika hampandrosoana ny kaominina tantanany satria tsy mavitrika ny olona handray anjara amin’izay zavatra atao. Hampalemy ny fahefam-panjakana izany ary hampikatso ny fanatanterahana ilay vina sy fandaharanasan’ny filoham-pirenena. Ny ben’ny tanàna mantsy no fototra mitantana sy mampandeha ny asa fampandrosoana. Ho mora ho an’ny mpanohitra ny hanakiana ny fitondrana noho io asa mihisatra io, ny vahoaka rahateo tsy hahatsapa fiovana eo amin’ny fiainana andavanandrony ka mety haneho ny fahasosorany amin’ny endriny isan-karazany tahaka ny fitokonana, fidinana an-dalambe,… izay efa hita tamin’ny olan’ny famatsiana rano sy ny delestazy ary ny tsy filaminana mahatonga fitsaram-bahoaka manerana ny nosy. Raha tsy misy ny fitoniana dia tsy hisy mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka ho avy eto izany, ka ho veloma ny “autoroute” sy ny “building”, trano 50 000 isa e….
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.