Sefom-pokontany 49 no nesorin’ny prefe Atsinanana, satria nolazaina fa tsy mahafaly ny tsy fandriampahalemana, “hono”, izy ireo.
Tsy izany anefa no marina fa noho ny voka-pifidianana ratsy ka tsy nahazoan’ny kandidà Ird vato, hoy i Riribe. Ny alin’ny zomà 11 oktobra teo, tokony ho tamin’ny 10 ora dia nisy fivoriana niafina tao amin’ny Hôtel 501 tao Salazamay, ka nahitana an-dRtoa filohan’ny “tribunal administratif” hitsara ny fifidianana, ny prefe, ny minisitra Irma, ny kandidà Ird Nantenaina sy ny rahalahiny, Ricky Din Van... Mazava ho azy fa fandaminana izay fomba hampandaniana ny kandidàm-panjakana Ird ao Toamasina no tena ivon’ny fivoriana, hoy izy. Mibaribary ankehitriny fa tsy misy “neutralité de l’administration” izany ao Toamasina ary sarotra ny hinoana fa tsy hisy ny halabato ary ho marina ny fifidianana ao. Mbola io filohan’ny fitsarana io ihany anefa no nitsara ny adin’ny sefom-pokontany sy ny “prefet de region” ka nanome rariny ny didy navoakan’ny prefe. Afa-baraka ny fitsarana ao Toamasina amin’ny afitsok’io filohan’ny fitsarana io, hoy hatrany i Riribe. Aiza ny praiminisitra no tsy mandray ny andraikitra amin’io fandikan-dalàna ataon’ny olom-panjakana ao Toamasina io ? Aiza ny mpanara-maso ny fifidianana ary aiza ny Ceni ?”, hoy ny fanontaniana napetrany. Ao Toamasina ao dia azo ambara fa leo amin’ny lainga sy ny famitaham-bahoaka ataon’ireo mpitantana ny Ird ny vahoaka ary samy resy lahatra fa tsy misy hafa tsy ny kandidà ny Maitre Tody Arnaud ihany no azo antoka, fa hampandroso haingana an’i Toamasina noho izy misokatra amin’ny hery rehetra ary manana ny traikefa sy fitiavan-tanindrazana. Aoka samy ho mailo isika vahoaka rehetra liam-pandrosoana, ka samy hanara-maso manomboka izao ny fandikan-dalàna rehetra ataon’ireo Ird ireo, indrindra fa ny lisi-pifidianana. Samia manao andrimaso ireo sefo fokontany sy olom-panjakana voatanisa eo ambony ireo. Na ireo Ird ao Toamasina aza ankehitriny dia manohana ny kandidà ben’ny tanàna tsy miankina Tody Arnaud ny ankamaroan’ny mpitolona, satria, leo amin’ny afitsoky ny minisitra Irma sy Ricky Din Van, hoy hatrany ny fanazavana.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.