Nivadika ambony ambany ny voka-pifidianana tao amin’ny kaominina ambanivohitra Faratsiho, distrikan’i Faratsiho, Faritra Vakinankaratra.
Tsy namelan’ny kandida natolotry ny IRK mantsy raha tsy norombahiny ny fandresena raha Ramilison Nomenjanahary, kandida natolotry ny antoko MMM no kandida lany vonjimaika tamin’ny vokatra navoakan’ny CENI, herinandro maromaro lasa izay, tamin’ny salan’isa 96 %. Raha araka ny tafa nataon-dRamilison Nomenjanahary tamin’ny mpanao gazety omaly dia noezahin’ity kandidan’ny IRK ity natao izay nanafoanana ny vato tao amin’ny EPP Besorohitra, fokontany Mahatsinjo Mampiadana, kaominina sy distrikan’i Faratsiho toerana izay nahabetsaka ireo olona nifidy sy nankasitraka azy. Novolena, hoy izy ny lainga fa nihidy ireo biraom-pifidianana roa tao amin’ity fokontany iray ity tamin’io datin’ny 27 novambra io nefa nisokatra ary afaka nandatsa-bato avokoa ny mpifidy rehetra. Nanamafy izany, hoy izy ny filohan’ny biraom-pifidianana any an-toerana izay notongavana môtô miisa valo be izao ny andron’ny zoma taorian’ny fifidianana noho ny antony tsy fantatra. Io lainga noforonina io no nentin’izy ireo teo anivon’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana ka nivoaka ho mpandresy izy ireo. Nomarihin’ity kandida natolotry ny MMM ity anefa fa afaka mamoaka ny porofo milaza fa tsy nihidy ireo biraom-pifidianana roa ireo ireo vahoaka ao amin’ny fokontany Mahatsinjo sy ireo delegen’ny kandida izay nanara-maso hatrany tao anatin’ny biraom-pifidianana tamin’io andro io. Hihaona sy hampahafantatra ny vahoakan’i Faratsiho mikasika ity zava-misy ity, araka izany, ny kandida Ramilison Nomenjanahary rahampitso sabotsy 11 janoary.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.