Hanomboka anio talata 8 oktobra ny fanontana ireo bileta tokana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna hatao ny 27 novambra ho avy izao, ka ny Trano Printim-pirenena no hiantsoroka izany.
Io bileta tokana io tena ain’ny fifidianana sy isan’ny miantoka ny fangaraharany. Maro ny fangatahana, toy ny hametrahana laharana manokana na “numéro de série” azy io, ka andrasana izay ho fivoakany eo. Manamora ny hala-bato rahateo ny tsy fisian’izay, ary efa adihevitra be tany amin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Toa nodiana tsy hita ny tsy fametrahana io laharana manokana io tamin’ny fifidianana, ary azo raisina fa tsy nitombina ny fitoriana momba izany. Miandry izany ny rehetra. Niaraha-nahita sy naheno rahateo ny fipariahana bileta tokana tamin’ny fifidianana filoha. Nisy kandida tamin’ny fihodinana voalohany nanohana kandida hafa aza nilaza fa banga 25 hatramin’ny 50 ny ambina bileta tokana tamin’ny birao fandatsaham-bato sasany. Nametraka ahiahy ihany koa ny fanesoran’ny fanjakana ny Tale Jeneralin’ny trano pritim-pirenena teo aloha ka nametrahana olon-kafa. Marina fa toerana ifandimbiasana io, saingy mampanahy ny toe-javatra tahaka izao satria tao anatin’ny fiomanana tanteraka amin’ny fiatrehana ny fifidianana ben’ny tanàna no nisehoan’ny fanoloana. Fanatsarana ve sa kosa hoenti-mampahomby ny mety ho tetika hampandresena indray ny kandidam-panjakana ao anatin’ny fifidianana ? Ny ho avy no hamaly izay fanontaniana izay. Ny hampiavaka azy, dia ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana no handray an-tanana ny raharaha fifanolanana amin’ny fifidianana io fa tsy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.