Fifidianana azo arahi-maso tsara ny fifidianana ben’ny tanàna ary ny antoko TIM manokana dia efa manana ny ezaka sy paikady amin’izao
fotoana izao mba ho fiarovana ny vato manomboka eo amin’ny latsa-bato ka hatramin’ny famoahana ny voka-pifidianana araka ny nambaran’ny kandida laharana faharoa eto Antananarivo, Tahiry Ny Riana Randriamasinoro. Afaka mandray fanapahan-kevitra mivantana avy hatrany raha sanatria mahita hosoka. Nanentana hatrany ny mpifidy ny tenany mba ho tonga handatsa-bato na dia misy aza ny politika voizina handemena ny sain’ny vahoaka mba tsy hifidy amin’izao fotoana izao.
Ilaina ny fiaraha-miasa
Tsy misy fampandrosoana mandeha eto Madagasikara raha tsy misy ny fiaraha-miasa ary tsy tokony hanana toetsaina mihitsy izay tompon’andraikitra hilaza fa raha vao ny ben’ny tanàna no tsy mitovy firehana amin’ny fanjakana dia tsy hahavita zavatra. Ary raha ity kandida ity manokana dia nilaza mazava fa tsy hanangana ady amin’ny fanjakana raha lany soamantsara. Ny fanatanterahana ny asa nametrahana no imasoana tsara. Ny fampandehanana ny kaominina dia miainga amin’ny fampangaraharana, ny fiaraha-miasa sy ny fahatokisan’ireo mpiara-miombon’antoka manampy. Misy hatrany ihany koa, hoy izy ny vahaolana ary tsy voatery hiandry ny fanjakana raha tsy mandray andraikitra tahaka ny misy amin’izao fotoana izao. Tsiahivina mantsy fa tsy nanome famatsiam-bola mihitsy ny kaominina ny avy tamin’ny fitondram-panjakana ary ny teo an-tanàna ihany no nampiasaina kanefa amin’izao fotoana tsy manana olana ara-bola ny kaominina. Tsy misy mihitsy ny sakana tsy ahafahan’ny kaominina mahaleotena ara-bola ahafahana miasa. Nanambara ihany koa ny tenany fa tsy andraikitry ny mpitantana irery ary tsy an’ny mpitantana ny tanàna fa ilaina ny fifanajana sy ny fampiharana ny lalàna amin’ny rehetra ary ny vahoaka tsirairay mihitsy no entanina mba samy hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.