Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny fanohanany amin’ny heriny rehetra an’i Rina Andriamasinoro kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo atolotry ny Antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM ireo depiote 6 avy amin’io antoko io lany teto an-drenivohitra.
Efa miomana sy efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanomanana ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny mpanolotsain’ny tanàna izy ireo. Nametraka ny rafitra sy ny rindran-damina manokana hoenti-mampandany ny kandida Ben’ny tanàna eto Antananarivo Riana Randriamasinoro izy ireo omaly ary nitsodrano ity kandida ity hahaleo hahalasana. Mino izahay fa ho lany ny kandida Rina Andriamasinoro satria ny depiote TIM 6 mianadahy lany teto Antananarivo dia ao an-damosiny sy manampy sy hampandany azy amin’ny lafiny maro, ary miantso ny vahoaka rehetra ihany koa amin’izay fotoana izay, fa amin’izao aloha tsy mbola ao anatin’ny fotoanan’ny propangady, hoy ny fanambaran’ireo depiote ireo tamin’ny alalan’ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Nanome toky ny hiara-dalana amin’ity kandida ben’ny tanàna ity sy ireo mpanolotsaina miaraka aminy mandritra ny fotoana rehetra hanaovana ny fifidianana ireo depiote lany tamin’ny boriborintany enina teto Antananarivo ireo. Raha hatambatra ny isam-bato azon’ireo nitaha tamin’ny mpifanandrina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka, dia nandresy ny mpifanandrina ireto depiote TIM ireto. Tsy afaka ny hahatoky tena be loatra anefa ny TIM fa mila mahazo vato fanampin’ireo efa azo tamin’ny fifidianana filoha sy solombavambahoaka mba hanamarina ny fandresena, ary mila mailo tanteraka. Ao anatin’ny fotoanan’ny « Pré-campagne » tanteraka isika amin’izao fotoana izao, fotoana hahafahan’ny kandida mampahafantara ny tenany, manangana ny komity mpanohana, ahafahan’ny vondron-kery politika na vondron’olona manao fanambarana fanohanana kandida, Amin’ny 6 novambra izao kosa no hanomboka ny fampielezan-kevitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.