Politique

Fifidianana ben’ny tanàna Atrehana amin’ity taona ity ihany koa


  • Alarobia 10 Aprily 2019

Efa miha akaiky ny androm-pifidianana solombavambahoaka ny 27 mey ho avy izao ary hiditra amin`ny fampielezan-kevitra afaka andro maromaro isika.

 

 

Tsy azo hadinoina ny fifidianana manaraka  ny ho ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna amin’ny aogositra 2019. Tsy mahantoka samirery ny fandehan’ny raharaham-pirenena mantsy raha ny fifidianana filohan’ny Repoblika fotsiny. Ny fifidianana ny mpanao lalàna sy ny mpiandraikitra ny tanàna aza no tena mavesa-danja ho an’ny vahoaka. Amin’izay mantsy no hahafahana hifidy ny solontenan’ny mponina hiandraikitra ny famoronana sy ny fifidianana ny lalàn’ny Repoblika, sy ny olona hiandraikitra ny fanatontosana ny raharaha ara-panjakana akaiky ny vahoaka izay mila izany. Tokony hanaraka avy hatrany koa ny fifidianana ny hiandraikitra ny faritra sy ny faritany. Etanina hatrany ny olom-pirenena hifidy sy hanefa ny adidiny satria raha tsy mifidy dia hevitry ny olom-bitsy no tanteraka kanefa any amin`ny vahoaka no miantraika ny fizotran`ny raharaham-pirenena. Tokony hahay hifidy ihany koa satria antoky ny fampandrosoana ny fiainan`ny tsirairay izay ho depiote lany eo. Izy ireo mantsy no hametraka izay lalàna holaniana hitondrana ny tany sy ny fanjakana hotanterahin`ny mpanatanteraka. Na ahoana na ahoana, ho avy ny andro fandatsaham-bato amin`izay ho solombavambahoaka eto Madagasikara ka tsy azo ihodivirana sady mila atrehina. Ny antony dia mazava, ary voasoratra eo amin’ny savaranonandon’ny lalàmpanorenana malagasy fa ny vahoaka Andriamanjaka no manapaka farany isaky ny dimy taona. Olom-pirenena malagasy marina ve ianao sa tsia ? Efao ary ny adidinao, ary aza ariana ny zonao. Marina fa tsy voatery hifidy ianao kanefa vato iray mety hanova zavatra be dia be. Fotoana izao ahafahana mampiseho fa ny Malagasy no tena maha firenena ny firenena. Tsy azo odian-tsy hita sy tsy maintsy zakaina koa izay ho vokatry ny fifidianana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT