Avo dia avo ny vinan’ny fikambanana AVO (Andao Vahana ny Olana) tarihan’Atoa Lercia, fa mikendry ny hahatafavoaka Ben’ny tanŕna 80 isa any ho any ry zareo amin’ny fifidianana ho avy any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana misy ny foiben’ny fikambanana.
Raha ny tenako manokana, hoy ity mpandraharaha ara-toekarena ity, na dia efa nanan-kevitra ny hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena aza dia tsy narisika koa tamin’ny fifidianana solombavambahoaka fa aleo manomana ny fifidianana loholon’i Madagasikara. Raha mikasika ny raharaham-pirenena ankehitriny dia mihevitra izahay, hoy Atoa Lercia fa tokony horavana io birao vaovaon’ny Antenimieram-pirenena io satria tsy hitondra fitoniana na oviana na oviana. Ry zareo tokony halain’ny vahoaka tahaka aza mifanipa-kevitra sahady. Manambara izany fa tsy ara-dalàna io biraon’ny Antenimieram-pirenena io na dia ahitana ny ankolafin-kery rehetra aza.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.