Fihetsika sady mampalahelo no mahamenatra no misy any Tolagnaro renivohitra amin’izao efatra na dimy volana mialoha ny fifidianana Ben’ny tanŕna izao. Hatreto, efa enina no fantatra fa ho kandida ary efa samy manao sava lalana any amin’ireo kartie 11 misy any an-toerana.....
Olona avy amin’ny andrim-panjakana iray sendra mandalo any an-toerana no efa manao ny faraheriny hametraka ny kandida tiany hapetraka amin’ny toeran’io kaominina ambonivohitra iray io. Vaky bantsilana ny nafenina satria ny sabotsy lasa teo dia namory ireo vehivavy tao amin’ny hotely iray goavana any an-toerana ity vehivavy manana ny maha izy azy eo amin’ny andrim-panjakana iray ity. Nivoitra tamin’izany ny fananganana izay ho mpikambana ao amin’ny vehivavy Hery Vaovaon’i Madagasikara. Mbola ity olo-maventy avy eto Antananarivo zanak’iny faritra iny no manao izay faraheriny amin’ny fametrahana olona ao amin’ny toeran’ny lehiben’ny faritra. Kandida efa an’antoko iray ary lohandohany amin’izany no nambara ankolaka tamin’ireo mpivory fa hatolotra sy hotohanana. Saika mpikambana ao amin’ny vehivavy valo Martsa izy ireto. Manoloana izany, sosotra ary tsy resy lahatra ireo fikambanana maro sy antoko nanohana ny kandida Rajaonarimampianina tamin’ny fotoan’androny. Atahorana hisamatsamaka ireo mpanohana ny filoha izay mbola tantara hafa izay mety ho tohiny. Mbola anisan’ny tsy nahafaly ireo mpanohana ny filoha nandritra ny fifidianana ho filohan’ny repoblika ny fanambaran’ingahy Rivo Rakotovao fa tsy mbola misy izany HVM izany any amin’ny faritra fa henjehina araka ny lalàna izay mitonona fa izahay ireto no izy. Ny zava-misy ankehitriny dia maro ireo misintaka. Etsy an-daniny, kandida iray ihany koa no manao politika maloto ao Tolagnaro ao. Tamin’ny fanadihadiana natao mantsy no nahafantarana fa io kandida iray io dia manafatra olona maro avy amin’ny toerana iray hiorim-ponenana ao ao an-drenivohitra Anôsy. Efa mananika ny 400 mahery ny isan’ireo olona ary efa an-dalam-panamboarana kara-panondrom-pirenena amin’izao fotoana izy ireo. Mety tanjona amin’izany ny ampitomboana ny isan’ny mpifidy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.