Politique

Fifidianana Be ny kajikajy politika


  • Alakamisy 25 Aprily 2013

Resabe tsy mety vita ny momba ny finiavana sy firosoan’ny FFKM hampihavana. Na avy eto an-toerana na avy any ivelany dia maro ny hevitra mivoaka, manakiana na manohana azy io.

 Misy ireo kandida tahaka an’i Saraha Georget Rabeharisoa, Roland Ratsiraka, Pierrot Rajaonarivelo tonga dia tsy manaiky ny hananganana tetezamita vaovao na hampihemorana ny fifidianana izany. Tsy maintsy tanterahana izay tetiandro efa napetraky ny CENI-T sy niaraha-nanapaka tamin’ny Firenena Mikambana, hoy izy ireo, naharitra loatra ny krizy ka hampijaly ny vahoaka raha toa ka mbola hitarina ny tetezamita, hoy ihany ny hevitr’izy ireo. Ny kandidan’ny PNJ-Mazava Sylvain Rabetsaroana indray anefa dia mandroso soso-kevitra ny amin’ny hananganana governemanta vaovao, tsy momba ny atsy na ny aroa, mialoha ny fifidianana mba hampilamin-tsaina ny rehetra. Izy moa dia efa nilaza fa vonona foana na amin’ny 24 jolay na ahemotra ny datim-pifidianana.

Ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny ankapobeny, anefa hatreto aloha dia manizingizina fa amin’ny 24 jolay no manomboka ny fifidianana eto Madagasikara, hanohana sy hanampy amin’ny hahatomombana izany ny avy any ivelany, eo aloha ny famatsiam-bola efa ho 60 tapitrisa dolara narotsaka ao amin’ny “Basket Fund”, mbola handefa mpanara-maso ny fifidianana ny Vondrona Eoropeanina, ny Fondation Carter avy any Etazonia ny fikambanamben’ny Frankofonia, ny Vondrona Afrikanina, ny SADC. Ny olom-pirenena indray dia mizara roa mazava ny hevitra, fa amin’ny ankapobeny aloha dia maro an’isa ny mankasitraka ny hanaovana fifidianana amin’ny volana jolay.

 

Mba hihinanana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT