Zava-baovao amin’ny fifidianana ho avy manaraka eto Madagasikara ny fametrahana fepetra manokana momba ny loharanom-bola sy ny fampiasam-bolan’ny kandida ary ny fanaraha-maso izany ataona vaomiera manokana, araka ny hita ao amin’ny volavolan-dalàna fehizoro laharana 05/2018 navoaka ny 21 febroary 2018 momba ny fepetra ankapobeny amin’ny fikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara.
Resaka famatsiam-bola, fampidirana sy famoaham-bola, fanaraha-maso ny fampiasana ny volan’ny kandida no velabelarin’ny andininy faha-64 ka hatramin’ny faha-91 ao amin’ity volavolan-dalàna fehizoro iray ity. Tsy maintsy manana kaontim-bola mazava sy ara-dalàna any amin’ny banky ny kandida iray, misy olona miandraikitra azy io na mpitam-bola izany. Tsy maintsy efa misokatra enim-bolana mialoha ny volana itsahana hanaovana ny fifidianana io kaontim-bola io ka hita mazava ao ny vola miditra sy ny vola mivoaka nampiasain’ny kandida sy ny mpiara-miasa aminy. Miandraikitra ny fanaraha-maso ny “Commission de contrôle du financement de la vie politique », rafitra iray vao hatsangana ahitana mpikambana miisa 5, ka mpitsara ny 3 ary experts comptables ny 2 ary mbola hisy teknisianina hafa avy amin’ny minisiteran’ny fitsarana, minisiteran’ny vola ary ny minisiteran’ny atitany. Ao anatin’ny filankevitry ny minisitra no hananganana io vaomiera manokana io. Voamarika ao amin’ny andininy faha-75 fa voasazy avy hatrany handoa lamandy ary tsy afaka hifaninana intsony ny kandida voaporofo fa nahazo famatsiam-bola avy amina olona avy any ivelany na firenena vahiny hafa.
Ho sahirana ny kandida mahaleotena
Etsy an-kilan’izay, tsy maintsy arotsaky ny antoko politika mijoro ara-dalàna ny kandida iray na mahazo sonian’ny olom-boafidy (ben’ny tanàna, solombavambahoaka, loholona, mpanolotsain’ny tanàna, faritra , faritany, filohan’ny faritany…) miisa 150 farafahakeliny. Kandida tokana no azon’ny antoko politika harotsaka. Ambaran’ilay volavolan-dalàna fehizoro laharana 06/2018 momba ny fifidianana filohan’ny repoblika ihany koa fa tsy maintsy nahaloa ny hetra rehetra notakiana taminy ny kandida iray, nahavita an-tsakany sy an-davany ny fanambaram-pananana ary tsy mbola voaheloky ny fitsarana mihitsy. Ho henjana kokoa raha oharina tamin’ny lalàna mifehy ny fifidianana nisy hatrizay ireto hodinihan’ny parlemanta ireto ary azo ambara hoe manilika avy hatrany ireo kandida madinika sy ny kandida tsy miankina na mahaleotena. Hoy indrindra ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly omaly : « tsy natao hamalifaliana antokon’olona na sokajin’olona vitsivitsy fa lalàna izay natao haharitra, lalàna izay mikatsaka ny tombontsoa ambonin’ny firenena ireo natolotra ny parlemanta ireo… ». Asa aloha izay adihevitra mety hiseho eny Tsimbazaza momba ireto volavolan-dalàna fehizoro ireto fa raha ny hita aloha dia hanova zavatra ilay izy raha lany eo satria tsy nisy mihitsy hatrizay ny fanarahamaso ny vola ampiasain’ny kandida tet Madagasikara fa dia samy manao izay mahametimety azy ny rehetra.
Nisokatra omaly tolakandro ny fivoriana tsy ara-potoana voalohan’ny antenimiera roa tonta eto Madagasikara izay haharitra 12 andro. Mety hampitomboina 12 andro aorian’ny fahataperany satria tokony ho 15 andro mialoha ny fahatongavan’ny tolo-dalàna eny amin’ny parlemanta. Volavolan-dalàna fehizoro sy volavolan-dalàna tsotra miisa 15 no nalefa hodinihina sy holaniana, ka anisan’ny misongadina amin’izany ny volavolan-dalàna momba ny fifidianana
RTT sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.