Politique

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?


  • Zoma 18 Oktobra 2019

Manoloana ny fanambarana ny hoe : “Ity no KANDIDAM-PANJAKANA, TSY MAINTSY io no LANIANA !

 

Fa raha tsy izany dia…” aely eto amin’ny kaominina ambonivohitr’i Betafo Antsirabe dia manambara manokana ny tenako, Ra-Theo Fibemih kandida laharana faha-9 ao amin’izany kaominina izany fa : “ laviko ary toheriko tanteraka ny filazana izany hoe “Kandidam-panjakana” izany ao Betafo. Efa nambara ary nampitaina taminay fa kaominina eo amin’ny 15 eo ho eo ihany manerana ny Nosy no niarahan’ireo filoha nasionalin’ny Antoko Lehibe nanohana ka miaraka amin’ny fitondram-panjakana misy ankehitriny nanapaka fa hiraisana ka hiaraha-manohana. Fa ny ankoatr’izay dia afaka hilatsahan’ny rehetra amin’ny anaran’ny Antokony, na ho tsy miankina. Misy AVI ao BETAFO, misy MMM ary misy TSY MIANKINA maro samy nanohana ka afaka miara-miasa tsara amin’ny fitondram-panjakana ankehitriny. Izaho moa dia nisafidy nijanona ho Kandida tsy miankina, satria izany no nahafantaran’ny maro ahy hatramin’izay, ary hitohizan’ny fisokafan-dRa-Theo Fibemih miara- miasa hatrany amin’ny rehetra, tsy nanavaka firehana

 politika na antokom-pivavahana  na fiaviana tamin’ireo asa soa sy fanampiana maro natao. Tsy ekeko, hoy izy, ny hanaovana amboletra hanaovana tian-kano sy tian-kano an’izany fampandaniana kandida izany fa avelao hisafidy malalaka ny olona amin’izay fantany sy azony antoka fa hahavita hitondra ny tanànany. Tsy ekeko koa ny fampiasana ho fitaovana ny Vatsin’ankohonana sy ireo Reny mavitrika izay praograman’asam-panjakan hatramin’izay ka izao no atao hoe hampandaniana an’io kandidam-panjakana io.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT