Tsy nisy ny fivoriambe nandinihana sy nanapahana fa hatao ny fifidianana ny filohan’ny antenimierandoholona ary tsy voahaja ihany koa ny fe-potoana kely indrindra hahafahana mandrotsaka ny filatsahan-kofidiana, izay adiny iray farafahakeliny.
Aminay dia natao amboletra ny fifidianana, hoy ny loholona avy amin’ny MAPAR Velontsara PaulBert. Ny niantsoana anay dia hisy fanambarana hataon’ny filohan’ny antenimierandoholona, kanefa nony tonga tao dia hanao fifidianana, hoy kosa ny loholona lany tamin’ny anaran’ny TIM Ramalason Olga. Raha ny tokony ho izy, araka ny fitsipika anatiny dia lanian’ny birao maharitra aloha ny fandaharam-potoana, mandalo ny fikaonandohan’ny prezida, hatolotra holanian’ny loholona. Aorian’izay vao tokony hotanterahina, hoy izy. Enga anie mba hipetraka tsara ilay fifidianana demokratika eto amin’ny firenena ary anatin’ny mangarahara, indrindra ao anatin’ny filaminana, hoy hatrany ity olom-boafidy ity. Raha aravona dia naman’ny natao kopisoroka tao anaty tsy fanarahan-dalàna tanteraka ity fifidianana ity. Tsy atao mahagaga satria efa filamatr’izy ireo ilay hoe “izahay aloha izao no eto amin’ny fitondrana”. Vao miandoha anefa io fa tombanana ho toy izay foana no hiseho amin’ny fifidianana hatrehintsika raha mbola ny HVM no eo amin’ny familiana an’i Madagasikara, ary toa efa vonona tanteraka amin’ny kopisoroka sy ny jadona tsy hiraharaha ny vavan’ny mpanao politika sy ny vahoaka intsony ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.