Toy izay fanazavana nentin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ihany no fanazavan’ny filohan’ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara,
Rivo Rakotovao, mikasika ny amin’ny resaka fikitihana ilay andininy faha 47 ao amin’ny lalàmpanorenana izay mandidy ny filoham-pirenena hametra-pialana farafahatarany 30 andro mialoha ny hanambarany ny filatsahan-kofidiany. Tsy nisy nilaza angamba, hoy izy, hoe te hanitatra ny taom-piasany ny filoham-pirenena ary ireo miteny hoe aza kitihana ny lalàmpanorenana ireo ve efa naheno hoe andininy aiza no ho kitihana ? Raha ataontsika ary hoe hatao ny fifidianana amin’ny novambra 2018 dia iza no ho tomponandraikitra raha toa ka afaka 80 na 100 andro izany vao mivaly ? Mety amintsika ve, hoy hatrany izy, raha hitondra mandritr’izany fotoana izany ny olona izay handray ny toeran’ny filoham-pirenena aorian’ny fametraham-pialany ? Toy ny milaza an-kolaka sahady ny tenin’ity filohan’ny HVM ity fa tsy hivoatra fa vao mainka aza ho ratsy noho izay efa nisy hatramin’izay ny endri-pifidianana ho avy eo satria dia ho am-bolana maro mihitsy vao hivaly ny fifidianana. Sanatriavina, mbola ho ratsy lavitra noho izay efa nisy hatramin’izay koa ve ny hala-bato hitranga ? Efa hatramin’ny fotoana nilazan’ny avy eo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI farany teo fa mila manana 363 andro moa izy ireo hanomanana ny fifidianana no niverina nampiahiahy indray ity resaka fangaraharam-pifidianana ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.