Politique

Fifidianana amin’ny 2018 Hamondron-kery ny ARMADA


  • Alatsinainy 11 Septambra 2017

Manomboka mifoha amin’ny torimasony ny vondrona politika ARMADA (Alliance Républicaine de Madagascar) ivondronan’ny antoko MAPAR, MMM, Antoko Maitso, Avana, Hiaraka Isika...

Hanolotra kandida iray izy ireo amin’ny fifidianana filoham-pirenena 2018, raha ny fanazavan’i Georget Alexandre filoha nasionalin’ny antoko Maitso, izay nanokatra ny rantsan’ny antokony teny Antananarivo Atsimondrano. Amin’ny alalan’ny fifidianana savaranonando ny ARMADA no hifidianan’izy ireo izay kandida hatolotra. Mpanao politika tsy dia vaovao amin’ny rehetra no mitarika sy mivondrona ao anatin’ity ARMADA ity, ary efa nisedra fifidianana filoham-pirenena ny ankamaroany. Anisan’ireny i Dr Robinson Jean Louis, mpitarika ny Avana, izay efa niatrika ny fihodinana faharoa tamin’ny taona 2013, i Hajo Andrianainarivelo, filoha nasionalin’ny MMM, izay laharana faha-3 tamin’io fifidianana io ihany. Teo ihany koa i Camille Vital. Tsy hay aloha na iray amin’ireo no ho kandidan’izy ireo na olon-kafa mihitsy. Marihina mantsy fa ao anatin’ny ARMADA ny MAPAR, ary tombanana ho olona mety hatolotr’izy ireo ihany koa i Andry Rajoelina. Manomboka mamondrona ny heriny ireo antoko sy mpanao politika manohitra ny fitondrana HVM, ka tsy hay koa raha ho tratry ny sotasota sy antsojay toy ny mahazo ny TIM tarihin’i Marc Ravalomanana. Mety hanana ny tanjany sy tsy ho azo tsinontsinoavina rahateo ny fivondronan’ireo antoko maromaro ireo amin’ny taona 2018. Tsy hay anefa ho tanteraka tokoa izay famondronana hery izay na hiady ho samy lohany izy ireo, ka samy handeha irery ihany. Ny azo lazaina aloha, dia miha mitombo fahavalo hatrany ny HVM, ary manitatra ny ambaindainy eny anivon’ny fokontany teny, toy ny nataon’ny Maitso teny Atsimondrano ny faran’ny herinandro teo. Hielim-pantrana amina kaominina 7 sy fokontany miisa 43 ity antoko izay manana fifandraisana amin’ny Antoko Maitso aty Afrika ity satria i Georget Alexandre no filoha lefitry ny Maitso aty Afrika. Tsy manaiky ny fanovana lalàmpanorenana katsahin’ny fitondrana HVM hatao ny Maitso satria paipaika politika hahafahana manalava ny fotoana hipetrahan’ny mpitondra ankehitriny eo amin’ny toerany izany, ary manimba firenena, raha ny fahitan’izy ireo azy. Mikorosy fahana ny firenena amin’izao, ka rehefa tsy mahavita ny fanjakana, dia mila manaja tena mametra-pialana, raha ny fanehoan-kevitr’izy ireo. Noho izay fahantran’ny vahoaka izay no hanaovan’ny Antoko Maitso asa sosialy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT