Politique

Fifidianana amin`ny ampahany Kaominina roa no tsy nahitana kandidà mpanolotsaina


  • Alatsinainy 16 Septambra 2019

Miisa 6 129 ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho ben`ny tanàna voarain`ny CENI. Nahitana kandidà avokoa ireo kaominina miisa 1695 manerana ny nosy.

 

 

4 609 kosa ny antontan-taratasy filatsahana ho mpanolotsain`ny tanàna. Anjaran`ny fanjakana no manapa-kevitra amin`ireo kaominina roa any Ambatondrazaka tsy misy mpanolotsaina, Andriamanantsoa Hervè, filoha lefitry ny CENI. Tsy maintsy jerena ifotony, hoy izy, amin`ny alalan`ny didim-pitsarana izay raisin`ny Fitsarana amin`ny ady amin`ny fanjakana ao Toamasina ny tsy fisian`ny fifidianana rehefa manao fanambarana ny vokatra ofisialin`ny fifidianana. Izany no atao hoe “carence” ka ny antom-pisian`izay dia noho tsy fisian`ny mpilatsaka hofidiana eo amin` ireo kaominina ireo amin`ny fifidianana mpanolotsaina. Tsy maintsy jerena amin`izay ny hanaovana fifidianana amin`ny ampahany ho an`ireo kaominina roa ireo. Anjaran’ny governemanta no mijery ny fepetra tsy maintsy horaisiny mba ahafahan`ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana miasa ara-dalàna amin`ireo kaominina ireo noho ny fahabangan`ny toeran`ny mpanolotsaina. Anisan`ny fanapahan-kevtra horaisin`ny fanjakana ao amin`ireo kaominina roa ireo ny famerenana ireo mpanolotsaina amin`ny toerany. Efa misy ny fanehoan-kevitry ny fitsarana momba ny lalàmpanorenana mahakasika ny tranga tahaka izao. Anjaran`ny governemanta no mandray fanapahan-kevitra aorian`ny fifidianana ao amin`ireo kaominina roa tsy misy kandidà ho mpanolotsaina ao Ambatondrazaka, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT