Mandeha sahady ny kajikajy politikan’ny antokon’ny fitondrana mba hanomanana ny fifidianana amin’ny 2018.
Efa mihetsiketsika avokoa ireo olom-panjakana ambony ao anatin’ny antoko amin’ny fanomanana ny paikady rehetra hampandaniana indray ny mpitondra ankehitriny. Mivoaka ny vaovao ankehitriny fa terena hamory olona isaky ny faritra niaviany sy iadidiany avy ireo olom-panjakana toy ny loholona sy minisitra, mba hanomana ny kajikajy rehetra hampandaniana ny HVM any amin’ny faritra rehefa tsy mahita rirany aty amin’ny tanàn-dehibe. Ny faran’ny herinandro teo, ohatra, dia nisy ny famorian’olona nataon’ny HVM tamin’ny alalan’ny Loholona voafidy tany Amoron’i Mania sy ny minisitra Rasozananera Marie Monique, izay minisitra mpiahy iny faritra iny, ka voalaza fa fanomanana ny fifidianana no tao ambadika. Tao amin’ny efitranon’ny Parc Md Joseph Andrefantsena Ambositra no natao ny fihaonana ny sabotsy teo, ka nandefasana taratasy fanasana mba hanatrika izany ireo olona somary manan-katao ao an-tanàna, ary tsy noraharahiana kosa ny vahoaka. Tsy dia nisy nipika ny resaka fa raha ny tsilian-tsofina dia fanomanana sahady ny paikady hampandresena ny HVM amin’ny fifidianana ho avy no tanjona, ka ireo olona vitsivitsy nasaina ireo indray no hotambazana sy hokaramaina handresy lahatra ny maro an’isa. Tsy mahasintona vahoaka intsony ity antoko ity, ka ireo olona azo vidiam-bola sy mikendry ny tombontsoany manokana sisa no resy lahatra. Tsy eto Antananarivo ihany ny mpitondra no tsy mahazo sitraka fa hatrany amin’ny faritra. Ny maro an’isa ankehitriny no efa samy milaza fa fahagagana ihany no hiverenan’ny mpitondra ankehitriny eo amin’ny toerany saingy efa mandeha sahady ny kajikajy isan-karazany, izay mila fandraisan’andraikitry ny mpanara-maso sy ny sehatra iraisam-pirenena.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.