Politique

Fifidianana amin’ny 2018 Miezaka ny manatsara tena ny CENI


  • Sabotsy 24 Desambra 2016

Namintina ireo dingana sy asa vitan’ny CENI (Commission Electorale Nationale Indépendante) nandritra ny taona 2016 teny amin’ny birao foibe Alarobia omaly ny filohany Rakotomanana Hery.

 

 Nisongadina tamin’izany ny paikady momba ny serasera anatiny sy ivelany, ny stratejia momba ny fitaizana sy fanabeazana ny olom-pirenena, ny fanangonan-kevitra fanitsiana ny lalam-pifidianana ary ny firosoana amin’ny fampiasana ny «logiciel Oracle 11G» fitrandrahana lisi-pifidianana. Ezaka ketrehin’ny Ceni ankehitriny ny fametrahana birao tokana na « guichet unique» ho fanamorana ny fitsinjarana ny kara-pifidianana hanatrarana ny isan’ny mpifidy 10 tapitrisa amin’ny taona 2018. Mampanantena fifidianana tsara kokoa noho ireo efa notontosaina hatramin’izay teto Madagasikara rahateo ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana tamin’ny tafa fohy nifanaovan’ny lehiben’ny rafitra mikirakira ny fifidianana tamin’ny mpanao gazety. Antoka telo no ahafahana miteny izany, hoy ity farany dia ny fisian’ny fotoana fanomanana lava 2 taona, ny fisokafan’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ireo mpisehatra samihafa eto amin’ny firenena ary ny fampitomboana ny traikefan’ireo mpikirakira ny fifidianana manerana ny nosy. 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT