Taorian’ny fametraham-pialana nataony omaly dia mbola nihaona tamin’ny mpiara-miasa akaiky aminy vitsivitsy teny Mahazoarivo ny Jeneraly Jean Ravelonarivo,
fihaonana izay nisy fifandraisana tamin’ny zava-nitranga rehetra omaly, ary inoana fa nandinihana ny ho avy ihany koa. Manitikitika ny maro ankehitriny ny hoe : mbola mitazona ny nambarany tamin’ny 22 martsa 2016 fa tsy ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018 ihany ve i Jean Ravelonarivo ? Tsapa tamin’ny resaka nataony omaly mantsy fa nampihetsika ny hambom-pon’ity manamboninahitra jeneraly ity ny fitaka natao taminy momba ity hoe fametram-pialana ity, ary na nanaiky izany aza izy omaly dia hita fa nalahelo mafy.Mety hanetsika ny hambom-po politikany iny tranga omaly iny , araka ny resaka nifanaovana tamina mpandinika politika vitsivitsy satria efa mba nana ny toerany sy ny maha izy azy teto amin’ny firenena ihany izany Jean Ravelonarivo izany, ary maro ny vondron’olona sy fikambanana mandrisika azy mba ho kandida filoham-pirenena. Ho hita eo indray raha hitazona ny teny nomeny amin’ny maha manamboninahitra ambony azy ny jeneraly Ravelonarivo, na hanao tahaka ny mpanao politika izay miovaova hevitra sy tsy menatra akory manao zavatra mifanohitra amin’ny nolazainy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.