Efa mivonona sahady amin’ny fiatrehana ny fifidianana amin’ny 2018 ny CENI ary tsikaritra fa manomboka tonga tsikelikely ny fanampiana sy fanohanana.
Omaly dia nanambara i Afrika Atsimo fa vonona hanampy an’ny CENI amin’ny fanomanana sy fikarakarana ity fifidianana filoham-pirenena ity. Tonga nitsidika ny filohan’ny CENI Me Hery Rakotomanana teny amin’ny birao fiasany omaly alarobia Rtoa Maud Vuyelwa Dlomo masoivoho vaovaon’i Afrika Atsimo eto amintsika. Nandritra ny fihaonana no nanambarany fa ny filoha Jacob Zuma mihitsy no nampitondra hafatra azy fa vonona hanome tantsoroka ny CENI eto Madagasikara ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CEI) Afrikanina Tatsimo. Efa nilaza hanampy ny CENI amin’ny fifidinana 2018 ihany koa i Chine sy Ejitpa. Vonona hiara-kiasa amin’i Afrika Atsimo tanteraka ny CENI, hoy ny filohany amin’ny alalan’ny fifanakalozana traikefa eo amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana. Andrandraina ihany koa ny fandraisan’anjaran’i Afrika Atsimo ao amin’ilay Basket Fund na ny tetibola hikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara, hoy ny Me Hery Rakotomanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.