Araka ny fahefana nomen’ny tondrozotra azy dia omaly alarobia 1 aogositra, no namoaka tamin’ny fomba ofisialy ny tetiandrom-pifidianana raikitra teny amin’ny foibeny teny Alarobia ny vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana mandritra ny tetezamita na CENI-T.
Tamin’ny 3 ora sy 23 minitra tolakandro no nanambaran-dRtoa Atallah Béatrice fa ny 8 mey 2013 no hatao ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany, ny 3 jolay 2013 ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa miaraka amin’ny fifidianana solombavambahoaka, ary ny 23 oktobra 2013 kosa ny fifidianana Filankevitra kaominaly sy Ben’ny tanàna. Tsy misy fifidianana, araka ny fanirian’ny filohan’ny tetezamita sy ireo mpanara-dia azy izany amin’ity taona 2012 ity, fa dia amin’ny 2013 vao hotanterahana ny fifidianana telo lehibe eto amin’ny firenena. Aleo miadan-ko reniny toy izay mitsatsaingon-ko zanany, hoy Rtoa Atallah Béatrice mba nentina nilazana fa tsy azo atao maimaika ny fifidianana fa tena mila fanomanana sy fampahafantarana maharitra. Na dia nanitrikitrika aza Rtoa Fatma Samoura, masoivohon’ny Firenena Mikambana eto amintsika fa niasa an-kalalahana ny CENI-T ary tsy nisy mihitsy ny tery avy etsy na eroa, dia hita fa mifanandrify amin’ilay tetiandron’ny teknisian’ny Firenena Mikambana ny daty hanombohana ny fifidianana, satria nilaza izy ireo fa tokony ho eo anelanelan’ny mey sy jona 2013 no hatao ny fifidianana solombavambahoaka sy filoham-pirenena, dia io iaraha-mahita io ny daty navoaky ny CENI-T fa tsy mifanalavitra amin’izay.
Komity manokana
Fifidianana tsara omana sy tsara tantana no hotanterahana eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny CENI-T ary afaka andro vitsy dia hisy ny fivoriana hiantsoana ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara. Ny sehatra iraisam-pirenena rahateo, tamin’ny alalan’ny SADC, ny Vondrona Afrikanina, ny Vaomieran’ny ranomasimbe indiana, ny Vondron’ny tany mampiasa ny teny Frantsay ary ny Vondrona Eoropeanina dia efa nampanantena fa hanohana ara-kevitra, ara-pitaovana ary ara-bola ny fitondrana tetezamita amin’ny fanomanana sy fikarakarana fifidianana. Hisy ny komity hatsangana misy ny solontenan’ireo fikambanana rehetra ireo hiara-kiasa amin’ny CENI-T ka handinika ny hampalavorariana ireo fifidianana ireo, ka re fa mety amin’ny alatsinainy ho avy izao no hivory voalohany ity komity ity. Efa nodinihana lalina, raha araka ny fanazavana azo teny Alarobia ireo datim-pifidianana ireo, mila vonona ara-potoana mantsy ny lalàna rehetra momba ny fifidianana sy ny vola ampiasaina amin’izany, vola izay avy amin’ny fitondrana tetezamita sy ny mpamatsy vola avy any ivelany.
Antso avo
Nanipika mazava i Atallah Béatrice fa mila fitoniana politika sy sosialy ny fikarakarana sy fanatanterahana fifidianana. Ela niandrasana ny vahoaka Malagasy hoy izy, ka tonga amin’izy ity ny fotoana hiantsoana azy mba haneho ny safidiny sy handray an-tanana ny hoaviny. Nomarihany koa fa asa be no miandry antsika manomboka izao satria mila avaozina tanteraka mihitsy ny lisi-pifidianana mba hialana amin’ny olana maro samihafa mpitranga hatramin’izay. Ireo manampahaizana sy teknisiana avy amin’ny firenena mikambana koa moa dia nandroso hevitra ny amin’ny hanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana tamin’izy ireo nandalo sy nanadihady teto. Farany dia nanao antso avo tamin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny filohan’ny CENI-T mba hanafoana amin’izay ny sazy mihatra amin’i Madagasikara efa ho telo taona izao.
aTomefy manampahefana sy masoivoho vahiny ny efitrano malalaky ny vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana teny Alarobia, omaly tolakandro, ary azo heverina fa fanambarana ny fahavononana hiara-kiasa amin’ny fanomanana fifidianana milamina sy eken’ny rehetra izany. Tsara homarihana ihany koa fa novolavolain’ny CENI-T niaraka tamin’ireo fikambanana iraisam-pirenena miara-miasa amintsika ity datim-pifidianana ity, ary marimaritra iraisana nifaneken’ny rehetra no navoaka. Mbola hitatra herintaona indray izany ny tetezamita, raha toa ka voahaja io tetiandro io satria any ho any amin’ny aogositra 2013 any izany, no hanana filoham-pirenena voafidim-bahoaka isika eto Madagasikara. Ny Pastera Mailhol anefa etsy ankilany manao fitetezam-paritany koa amin’izao fotoana izao, manomana mafy ny fandraisam-pahefana, araka ny faminaniana amin’ny 2013.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.