Naneho ny heviny mikasika ilay resabe mandeha momba ny fanalavam-potoana kasain’ny filoha Hery Rajaonarimampianina hatao Atoa Gaby Vakiniadiana omaly.
Raha araka io resabe mandeha io mantsy dia amin’ny taona 2020 vao mety hisy fifidianana eto amintsika fa tsy amin’ny taona 2018 araka ny fanantenan’ny maro. Nambarany tamin’izany fa raha mikasa ny handray io fanapahan-kevitra io ny filoha dia tokony hanao fitsapan-kevi-bahoaka hahafantarana ny hevitry ny vahoaka satria avy amin’ireto farany ny fahefana ampiasainy. Ankoatra izay hoy hatrany izy dia efa hita fa tsy mandeha ny asa hataon’ny mpitondra amin’izao fotoana saingy mbola mikiry ny hanalava ny fotoam-piasany ihany izy. Nomarihiny manokana tamin’izany ny zava-nitranga teo anivon’ny Ministeran’ny Ati-tany izay nahavoarohirohy tale iray. Ny mahavariana anefa hoy izy dia mbola mandehandeha any ilay tena naniraka ka te-hamafa ireny tranga rehetra ireny ny fitondram-panjakana. Farany moa dia mangataka ny tokony handravana ny rafitra misy sy ny lalampanorenana ihany koa i Gaby Vakiniadiana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.