Politique

Fifidianana 2018 Tsy vonon-kirotsaka Rajoelina…


  • Talata 16 Janoary 2018

Efatra taona izay no nialan’ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana. Taloha sy taoriana kelin’ny nitsipahan’ny HVM azy no somary nafana fo tamin’ny resaka politika. Nangina sy tsy hita firy avy eo,

ka ny 12 febroary 2017 no nisian’ny fanambarana somary goavana nataony, fa tsy hisy hahasakana azy tsy ho kandida. Tsy niandry ela anefa ny valy bontana sy ny famoretana avy amin’ny HVM, toy ny fisamborana an’i Augustin Andriamananoro, ny kolonely Lylison izay anisan’ny andry nianteherany moa dia tsy hita mandrak’ankehitriny satria namoahan’ny fanjakana HVM didy fampisamborana, ka voatery miery. Samy nihevitra ny rehetra, fa fanombohany sy fiverenany lalina eo amin’ny fikatrohana ara-politika ny fiarahabana sy ny firarian-tsoa nataony ny 01 janoary teo, saingy ny teo ihany no eo. Efa atomotra anefa ny fifidianana, ka tsy hay aloha izay toromarika ataony ho an’ny mpikatroka ao anatin’ny antoko sy ny fikambanana mpiara-dalana azy. Rehefa halalinina kosa ny fihetsiny, dia toa efa naman’ny tsy vonona amin’ny fifidianana i Andry Rajoelina, raha ny 2018 no asian-teny. Toa adinon’ny olona sy nanadino izany « Madagasikara » izany rahateo izy, izay nisafidy ny hiorim-ponenana sy handraharaha any ampitan-dranomasina. Vao mainka nampihen-danja azy izay fihetsiny izay satria vao tsy teo amin’ny fitondrana, dia efa nanangana elanelana sy toa loa-monina vao very fihinanana. Ny resaka fanaporofoana ny hoe “Ny fitiavana no lehibe indrindra”, teny filamatra napetrany moa dia tsy hita soritra. Raha tena tia tanindrazana ny tenany, dia hainy ny naneho fitsinjovana vahoaka amin’ny zavatra ataony, saingy naleony nampiasa ny volabeny sy nampitombo ny ambaindain’ny orinasany any ivelany, fa tsy mba teto an-tanindrazana. Maro ny loza isan-karazany nahazo ny Malagasy, mandalo fotoan-tsarotra ny firenena, saingy tsy mba hita tabilao ny tenany na dia resaka fitondrana teny fampaherezana fotsiny aza. Aiza ho aiza ny tamberim-bidin’ny harena azony teto amin’ny firenena mba hanasoavana ny Malagasy na dia mety ho amin’ny fiatsarambelatsihy aza? Hahafaha-mitsara azy avokoa ireny, kanefa tsy hay na hiseho tampoka sy hihazakazaka mafy rehefa tena atomotra ny fifidianana, fa raha ny fahitana azy aloha, dia tsy vonon-kirotsaka ny tenany raha ny resaka 2018. Olana ho azy ihany koa ny fahavakivakisan’ny mpanohana, ary rehefa dinihina dia sady tsy ho voalohany no tsy ho farany  i Andry Rajoelina, raha mirotsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena, saingy mety hanova zavatra ny fanohanany kandida iray. Maro ny zavatra mety tsy ampoizina !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT