Politique

Fifidianana 2018 Tsy tokony hijabahan’ny fanjakana


  • Zoma 17 Novambra 2017

Mamboatra ny kajy politikany ny HVM ankehitriny ary anisan’ireny ny fifehezana ny andrim-panjakana.

 Mikasika ny fanendrena ilay loholona, amin’ny maha mpitondra fanjakana sy amin’ny maha HVM azy ireo dia izay no fiainany, izay no hitany. izay ny fomba fitondrany, izany hoe tsy manana olona ny HVM afa tsy i Rivo Rakotovao, hoy ny pasitera Edouard Tsarahame. Raha nanana olona izy, tsy iny no natao nitety ny minisitera rehetra hatramin’ny andrim-panjakana, hoy izy. Manome ny hevitray izahay satria efa akaiky ny fifidianana. Miresaka lalàmpanorenana isika, ary tsy voahaja indray izany. Iza ary no natao hanaja an’io ? Olona avy aiza no hantsointsika hanaja azy ? Ny ilana ny fifidianana dia handaminana ny tany. Hatreto, tsy nisy fifidianana izany ka nandamina ny firenena. Hentitra ny fanehoan-keviny nilaza fa tsy mendrika ny hitantana intsony izao fitondrana izao. Antomotra tokoa ny fifidianana, saingy mbola maro ireo zavatra mampanahy, toy ny hoe tena mahaleotena tanteraka ve ny Vaomiera misahana ny fifidianana na ny CENI, izay mbola mangataka izany ? Mazava ny tsy hanomezana ny tena fahaleovantenan’ity vaomiera ity, dia hahafahan’ny mpitondra mifehy azy na mitaky fifidianana mangarahara sy tsy misy fanilihana aza ny sehatra iraisam-pirenena. Miandry ny rehetra hoe mbola hisy zavatra hiova ve ato ho ato sa ho toy izao hatramin’ny farany ny rivotra politika iainana mandritra ny fifidianana ? Inona no hiseho mialoha sy mandritra ary aorian’izay ? Samy miandry izay ho figadony ny rehetra !


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT