Politique

Fifidianana 2018 Tsy matahotra sakana aho, hoy i Dada


  • Alatsinainy 07 Martsa 2016

Tsy nanafina ny hafaliany hatrany ny filoha Ravalomanana rehefa mitsidika an’i Vakinankaratra, nandritra ny fambolen-kazo nataon’ny TIM tao Andraikiba ny faran’ny herinandro teo.

 

 Hazo ravintsara niisa 200 fototra no novolena mba hanatsarana ny manodidina ny farihin’Andraikiba. Nambarany nandritra ny lahateny fohy nataony fa very fanahy ny ankamaroan’ny olona kanefa mbola be fanantenana hatrany amin’ny endriny. Betsaka ny zavatra azo atao eto Madagasikara fa tsy eo amin’ny toerana ahafahana tena miasa ny tenany. Sahirana ny vahoaka ary hita taratra amin’ireo mpivarotra vato ao andraikiba ny fihemorana misy eto Madagasikara noho ny haratsin’ny toeram-pivarotana sy ny fihenan’ny mpivarotra izany. Manana tombony be dia be isika satria mbola malalaka tsara i Madagasikara saingy ilana fahaizana sy fahalalana ary fahakingana ny mitondra firenena, ary ny voaloham-pahendrena dia ny fahatahorana an’Andriamanitra ihany, hoy izy.

Tsy matahotra sakana

Tsy mamitaka ny vahoaka ihany koa ny mpitondra fa izay nolazaina dia tokony hotanterahina fa tsy adala intsony ny vahoaka ankehitriny. Very ny fifampitokisana eo amin’ny samy Malagasy izay sakana amin’ny fampandrosoana izany. Tsy misy toerana tsara toa an’i Madagasikara eran’izao tontolo izao raha mitaha amin’ireo firenena 127 noteteziny, ary manam-pahendrena ny Malagasy, saingy tsy hain’ny mpitondra ny mitrandraka azy. Noraisiny ohatra moa i Bangladesh, izay firenena anisan’ny mahantra indrindra teo aloha saingy efa mandroso sy nihoatra lavitra an’i Madagasikara ankehitriny. Tsy misy olona mahavita mitondra irery ny firenena, hoy izy fa tsy maintsy miasa miaraka avokoa ny rehetra vao afaka mandroso, raha tsy izany dia mandeha amin’ny lalana tsy izy ny mpitondra. Tsy namaly ny fanontaniana amin’ny mety hiarahan’ny TIM sy ny MAPAR moa ny tenany ary nilaza fa tsy matahotra ny mety ho sakantsakana amin’ny fifidianana amin’ny 2018 ny tenany fa mahatoky an’Andriamanitra hatrany, an’Andriamanitra ny fanapahana ary izy no mandamina ny zava-drehetra, miaraka amin’Andriamanitra isika ary mahatoky ny fitantanany, hoy i Dada.


Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT