Na dia ny fandroritana ny resaka lalàm-pifidianana eny amin’ny antenimieram-pirenena ankehitriny fotsiny aza, hoy ny kandida ho filoham-pirenena, Alain Andriamiseza, dia efa manambara fa tsy handeha amin’ny tokony ho izy ny fifidianana eo,
raha namboraka ny fanahiany manoloana ny fivoaran’ny raharaham-pirenena ankehitriny. Mifono paikady tsy mazava, raha ny fanehoan-kevitr’ity kandida ity, io resaka lalàm-pifidianana io. Vahaolana narosony ary ny tokony hisiana fivondronana kandida miisa eo amin’ny 5 na 6 eo hiatrehana izay mety hitranga ary tokony hisy fihaonan’ny samy kandida. Nanararaotra nanazava ny tetikasany ihany koa ity kandida ity satria dia miteraka resabe, raha ny nambarany, ilay hoe raha tsy voavaha ao anatin’ny 3 volana ny fitohanan’ny fifamoivoizana dia hametra-pialana ny tenany raha lany ho filoham-pirenena. Efa 30 taona, hoy izy, no niheverako io vahaolana io ary ny fototra dia ny famerenana ny fifanajana sy fitsipika toy ny hoe ny sisin-dalana ho an’ny mpandeha an-tongotra ary ny arabe ho an’ny fiara. Misy lalana tokony ho zotra roa (double sens) koa, ohatra, mbola tsoa-tokana (sens unique) ka efa mila ovana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.