Samy mampiseho ny tanjany ireo kandida heverina ho matanjaka amin’ny fifiadianana 2018, ka isan’ny lohalaharana amin’izany i Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina, ary i Hery Rajaonarimampianina.
Tsy dia heno loatra i Andry Rajoelina hatramin’izay, kanefa efa ny herinandron’ny 20 jolay ny tenany no efa teto an-tanindrazana, saingy nangina hatrany. Ny fiandohan’ny volana jona nankalazana ny faha-10 taonan’ny orinasan-tserasera Viva no nahitana azy farany tamin’ny fampahalalam-baovao. Re kosa amin’izao fotoana izao fa mety hanao fitetezam-paritra eto Madagasikara ny tenany, ka voalazan’ny loharanom-baovao iray fa afaka iray volana eo ho eo indray no handao an’i Madagasikara izy. Manomankomana miadana ny ho avy politikany amin’izay ny filohan’ny tetezamita teo aloha, ary ny volana novambra no mety tena hiditra lalina kokoa amin’ny politika izy ho fanomanana ny fifidianana. Tsy hay kosa izay ho fandraisan’ny fanjakana Rajaonarimampianina izay ho fihetsik’i Andry Rajoelina sy ny ekipany satria isan’ny mpifahavalo politika lalina eto amin’ny firenena ny MAPAR sy HVM, taorian’ny fitsipahana nataon’i Hery Rajaonarimampianinana sy ny mpiara-dia aminy an’i Andry Rajoelina sy ny ekipany taorian’ny fahazoan’ny fanjakana ankehitriny fahefana. Efa nifampiandry an-kendritohana hatramin’izay ny andaniny sy ny ankilany, ka isan’ny voalaza fa nampangina an’i Andry Rajoelina ny don-tandroka sy ny ramatahora nataon’ny HVM, ary taorian’ny fanambarana nataony ny 12 febroary 2017 fa tsy hisy hahasakana azy tsy ho fidiana filoham-pirenena, dia nisy ny antsojay isan-karazany toy ny natao an’i Augustin Andriamananoro, ny depiote Nina. Ao anatin’ny heriny tanteraka ihany koa i Marc Ravalomanana, izay mampiseho fa mamin’ny Malagasy sy manana ny vahoaka ao an-damosiny, ary efa niaraha-nahita ny sakantsakana nataon’ny HVM noho ny hakanosana. Manohy ny fitetezam-paritra sy ny kongresin’ny TIM i Marc Ravalomanana sy ny ekipany ary efa nilaza fa tsy mba izy no mitsoaka an-daharana izany. Tazana ho efa tena mikofokofoka mafy koa anefa ny HVM izay eo amin’ny fitondrana ankehitriny ary tsy hanaiky mora foana ihany koa. Fehiny dia hafana ny raharaha politika herintaona mahery kely mialoha ny fifidianana ; ary raha izao fahitana azy ety am-piandohana izao aloha dia tsy hisy hanaiky lembenana ireo vondrona politika lehibe (TIM, MAPAR, HVM) fa samy hiady sy hiasa mafy mba hampisongadina ny foto-keviny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.