Politique

Fifidianana 2018 Misoko miadana ny antokom-pivavahana


  • Sabotsy 20 Janoary 2018

Azo sokajiana telo lehibe hatreto ny endriky ny mpifanandrina ao anatin’ny fifidianana 2018 dia ny kandidam-panjakana, ny kandida mpanohitra ary ny kandidan’ny antokom-pivavahana.

 An’ny HVM ny kandidam-panjakana, izay hampiasa ny fahefam-panjakana amin’ny teritery atao amin’ny kandida atahorana sy hanatobaka volabe, toy ny efa fanaony ny paikady hampiasaina. Ny kandida sokajiana ho mpanohitra, dia tsy hita aloha izay tena misongadina, afa tsy io iray hanaovan’ny fanjakana HVM ramatahora andro aman’alina io. Mety hisy ihany ny sokajina kandida hafa mety hatanjaka na eo ho eo ihany na tsy dia misy hatoraka, fa mbola mijery ny fitsoky ny rivotra aloha.

Mametraka ny lanja ara-politikany ny antokom-pinoana

Miezaka mafy mametraka ny lanja ara-politika na ny “poids politique” ananany sy miantso olona hanara-dia azy ny fiangonana zandriny maro. Mipoapoaka ny propagandy ara-pivavahana, toy ny fiantsoana mpitondra fivavahana malaza avy any ivelany, ny peta-drindrina mameno tanàna, ny fandaharana amin’ny fahitalavitra … Misy mihitsy aza ny efa manana haino aman-jery. Midika avy hatrany fa hiroso sy efa manomboka miroso amin’ny propagandy ara-politika ny sasany. Maro no mampiseho fa manana olona ary nisy rahateo ireo mpitarika antokom-pinoana no efa nilaza fa hirotsaka ho kadinda amin’ny 2018 raha tsy hilaza afa tsy ny pasitera Mailhol, Kohen Rivolala. Tsy hay izay ataon’ny sasany na hifanohana amin’ireny na manana ny kajiny hafa mihitsy. Ny hita aloha dia miezaka mampiseho izy ireo fa manana olona. Efa naneho ny heriny teny amin’ny Coliseum Antsonjobe, ohatra, ny FMFOI tarihin’ny Pasitera Benjamina, ny Vahao ny oloko tarihin’i pasitera Hery Tiana Randriarimalala, ny Apokalipsy tarihin’i Pasitera Mailhol … izay samy nahafeno ity toerana mahazaka olona hatrany amin’ny 40 000 ity amin’ny ankapobeny. Raha miditra amin’ny politika ve ny mpitarika, ka manome toromarika ny olony amin’ny fifidianana, dia hanaraka izany ny rehetra sa hanavaka hoe : hafa ny politika sy ny fivavahana ? Raha ny pasitera Mailhol aloha, mahatoky fatratra ireo olony ao amin’ny Apokalipsy manodidina ny 2 tapitrisa. Lojika araka izany, raha misy ny mpanao politika manambitamby azy ireny. Ny tenany aza dia efa nilaza fa notambazan’ny fanjakana HVM volabe 5 miliara ariary tsy hirotsaka hofidiana. Hizotra amin’ny lalana tahaka izany ve ireo fiangonana zandriny sasany hanome toromarika amin’ny olona hotohanany sa mety hisy ny tanjona hafa toy ny hangataka ny hiditra ao anatin’ny FFKM fa manana ny olony ihany koa ? Toa verezin’ny antokom-pivavahana ny ankamaroan’ny antoko politika sasany eto amin’ny firenena, raha izay fahazakana olona izay, ka be tsy andraofana aloha no hanasokajian’ny maro azy satria samy te ho lohany. Hahavita hanatsimbadika tantara ve ny antokom-pivavahana ?

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT