Politique

Fifidianana 2018 Misalasala i Andry Rajoelina


  • Alakamisy 30 Novambra 2017

Iaraha-mahita ny kapa ranjo ara-politika mety hamotehana ireo kandida atahoran’ny fanjakana HVM amin’ny fifidianana 2018.

Voalaza fa efa nokotrehina indray ny volavolan-dalàm-pifidianana vaovao hamerana ny taonan’ny kandida filoham-pirenena ho 45 hatramin’ny 65 taona. Raha sanatria ka io no tanteraka dia misy ny kandida mihintsana avy hatrany. Feno 44 taona mantsy i Andry Rajoelina amin’ny 2018, ary 69 kosa i Marc Ravalomanana, izay tsy mahafeno io fepetra io. Tsy fantatra ny hahombiazan’ny kajy maloto, saingy na izany aza dia re fa misalasala i Andry Rajoelina na hirotsaka na tsia, raha toa ka efa mampiseho ny fahavononany kosa ny hafa. Loharanom-baovao tsy lavitra azy no nahalalana fa mbola miroaroa saina tanteraka ny tenany, antony lehibe ny tsy dia fananany fitokisana firy intsony amin’ireo mpiara-dia aminy na hanana tanjaka hanampy azy sy hahavita hitondra firenena marina ve raha lany izy ? Raha ny resaka ara-bola dia efa nahangona matevina dia matevina Rajoelina, saingy efa fantany fa tsy vitan’ny vola fotsiny ny fitantanana firenena. Etsy ankilan’izay, maro ny mpanao politika sy mpiara-dia tamin’ny filohan’ny tetezamita teo aloha no namadika palitao sy nikopak’elatra nanara-dia ny HVM. Ny sasany ireny efa iaraha-mahita ireny fa henjehina sy migadra. Fa mety tratry ny tsindry iraisam-pirenena ihany koa anefa i Andry Rajoelina hoe mipetraha aloha fa ianao mbola tanora, fa miandrasa amin’ny 2023 ... Henjana ny resaka fifandresen-dahatra ara-diplomatika sy ny anjara toeran’ny firenen-dehibe amin’io fifidianana io. Farany, iankinan’ny hoavin’ny kandida iray ireo ekipany, ary mila fehezina ihany koa ny tontolon’ny fifandraisana iraisam-pirenena fa tsy mandehandeha ho azy izany hitantana firenena izany. Olana ho an’i Andry Rajoelina anefa ny efa nanasokajian’ny sehatra iraisam-pirenena azy ho mpanongam-panjakana, laza ratsy tsy mbola voadiony hatramin’izao.

 


 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT