40 miliara ariary no voafaritry ny tetibolam-panjakana hampiasaina amin’ny fanomanana ny fifidianana rehetra ho avy amin’ny taona 2018.
Nandrasana hanazava misimisy kokoa ny mikasika ny fampiasana azy io ny filohan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI, Hery Rakotomalala, omaly nandritry ny fanofanana ireo rafitry ny fiarahamonim-pirenena mikasika ny fanentanana eny anivon’ny fokontany hanamarina ny anaran’izy ireo ao anaty lisi-pifidianana. Ny valim-panontaniana tokana azo aloha dia hoe ampy hanatontosana ny fanomanana sy fiatrehana ary ny famoahana ny fifidianana io tetibola io saingy tsy voazava amin’ny antsipiriany kosa ny fitsinjarana azy. Etsy an-kilany anefa dia mbola misy ny famatsiam-bola mitentina 1 tapitrisa Euro horaisina amin’ny vondrona eoropeanina amin’ny alalan’ny tetikasa Sacem izay mbola ho fanampiana ny fandavorariana izay tontolom-pifidianana izay hatrany, raha ny fanazavana. Ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena na ny OSC izay voalaza teo ihany koa anefa dia mbola hahazo 1 tapitrisa Euro ho fanampiana azy ireo amin’ny asa fanentanana izay hotontosainy. Mikasika ny amin’ny tokony hanovana ny lisi-pifidianana izay mbola nomerika ho biometrika kosa dia nanazava ny filohan’ny CENI fa efa niady mafy ho an’izany izy ireo saingy tsy mbola mety hita ilay famatsiana. Tsy tratra ny hamadika ny lisitra nomerika izay hitantsika amin’izao fotoana ho biometrika amin’ny fifidianana vao ho avy fa ny aorian’izay indray vao afaka miady ho amin’izany, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.