Politique

Fifidianana 2018 Miketrika mafy Rajoelina sy ny ekipany


  • Alarobia 27 Septambra 2017

Samy manana ny paikadiny ireo mpanao politika tsirairay avy amin’ny fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018. Ao ireo efa nanambara ny maha kandida azy hatry ny ela tahaka an’i Marc Ravalomanana

ary efa am-perinasa mamelona ny antokony dia ny Tiako i Madagasikara efa ho herintaona mahery kely izao. Ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimpianina kosa dia mbola manjavozavo ny maha kandida na tsia azy. Etsy an-kilan’izay, misoko miadana ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina sy ny ekipany. Any amin’ny fanetsehana ireo mpikambana fototra aloha no fantatra izao fa ataon’izy ireo ary efa mandeha ny fivoriana isan-karazany amin’ny faritra maro arahana fananganana komitin’asa tahaka ny efa natao teto Antananarivo, ny tany Mahajanga, Toamasina, Fenoarivo Atsinanana ary farany teo tany Ambatondrazaka. Manao tsapa-kevitra mitsitapitapy any anaty tambajotran-tserasera mba hamantarana ny heriny ihany koa ireo mpomba an’i Andry Rajoelina. Tsy nisy ny fanambarana ofisialy hatreto satria dia toa moana tahaka ny trondro ity filohan’ny tetezamita teo aloha ity noho ny antony tsy mbola fantatra mazava. Fa raha ny re avy amin’ireo mpiara-dia aminy sy olona akaiky azy aloha dia kandida i Andry Rajoelina amin’ny 2018 saingy mbola misy ny lamina tsy maintsy apetraka, hoy izy ireo. Tsy takona afenina rahateo ny antsojay mahazo ny ekipan’ny Mapar nandritra ity fitondrana HVM ity, hany ka mitandrin-tena fatratra izy ireo. Na izany aza, sokajiana ho kandida lehibe sady manam-bola i Andry Nirina Rajoelina ary mety hanova zavatra rehefa raikitra ny fifidianana. Mbola baraingo koa anefa ny hoe afaka hilatsaka hofidiana malalaka tsara ve izy sa ho tratran’ny sakana amin’ny fomba hafa kely ? Tafiditra ao anatin’ny sangodim-panina politika avo lenta ny fifidianana sy ny tontolony eto Madagasikara ary maro no manahy fa ho avy indray ny savorovoro amin’ny fifidianana manaraka eo, indrindra raha misy ny fanakanana ny filatsahan’ny kandida hafa. Araka ny tsapa-kevitra tsotsotra natao dia anisan’ny heverin’ny olona fa antoko mahazaka olona maro manerana ny nosy amin’izao fotoana ny TIM tarihan’i Marc Ravalomanana sy ny MAPAR an’i Andry Rajoelina. Raha ny lojika dia izy ireo no hifanandrina amin’ny fihodinana faharoa, saingy tsy azo hamaivanina ihany koa ny HVM izay eo amin’ny fitondrana amin’ny fitondrana amin’izao fotoana.

 RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT