Politique

Fifidianana 2018 Mijoro ny VMMR hampandany an’i Dada


  • Sabotsy 11 Jona 2016

Niseho an-tsehatra nampahafantatra ny tohin'ny tolona ataony ho fanavotam-pirenena ny fikambanana Vondrona Miara-dia amin'i Marc Ravalomanana omaly, tarihin'ny filohany Rasoloarimanana Jean Louis.

Efa vita izay ny dingana voalohany, dia ny fampodiana an'i dada an-tanindrazana, hoy izy ireo. Hitohy amin'ny dingana manaraka indray izahay izay efa misy mpikambana 750 ankehitriny dia ny hiady hampandany ny filoha Ravalomanana amin'ny fifidianana filoham-pirenena  hatao amin'ny taona 2018 ho fanavotana ny firenena latsaka anaty hantsana. Ny filoha Ravalomanana ihany no afaka hanavotra ny firenena. Ankoatra izay dia nanamafy izy ireo fa ezahina haparitaka isaky ny fokontany ny fikambanana  hahafahana manatratra ny tanjona. Efa manomboka izany ankehitriny, hiely manerana ny faritany ary tsy hijanona raha tsy mahazo ny maro an'isa. Hisy ny hetsika goavana hotanterahin'izy ireo ato ho ato hanaporofoana ny mbola fitiavan'ny olona ity filoha teo aloha ity. Notsindrian'ny filohan'izy ireo Rasoloarimanana Jean Louis ihany koa moa fa anisan'ny antom-pisian'izy ireo ihany ny hanohitra ny tsy mety hataon'ny fanjakana ankehitriny toy ny fanaovana gaboraraka ny harem-pirenena, ny kolikoly maro isan-karazany...Tsiahivina fa mpitolona teny amin'ny Magro fahiny ireto nivondrona nanambatra ny heriny ireto.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT