Nifarana vonjimaika tamin`ny 31 janoary 2017 lasa teo ny fisoratana anarana tao amin’ny
lisi-pifidianana, fisoratana anarana izay hahazoana ny lisitr’ireo mpifidy hiatrika ny
fifidianana vinavinaina amin’ity taona 2018 ity.
Manodidina ny 9 715 000 ny isan`ny mpifidy raha ny tarehimarika azo teo anivon`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana. Raha ny vinavinan’ny CENI hatreto dia tokony hahatratra 10 tapitrisa ny isan’ny mpifidy horaketina. Amin’ny maha zava-dehibe ny fandraisan’ny olom-pirenena anjara dia hanamafy ny lafiny ara-teknika ny CENI. Hanomboka hanadio ny lisitr’ireo mpifidy indray ity vaomiera ity ka hiverina eo anivon`ny fokontany tsirairay amin’ity volana febroary ity ny lisitra hanamarinana fanindroany ny isan’ny mpifidy. Mandritra ny roapolo (20) andro, manomboka amin’ny fotoana hampahafataran’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fokontany ny besinimaro amin’ny alalan’ny peta-drindrina fa efa afaka manamarina ny anarany sy ny momba azy ao anaty lisitra ny mpifidy, araka ny voalazan’ny andininy faha-17 amin’ny fehezan-dalàna mifehy ny fifidianana « Ao anatin’ny fe-potoana roapolo andro manomboka amin’ny vaninandro nanaovana ny petadrindrina dia mahazo maneho ny fitarainany, ny olom-pirenena rehetra tsy voasoratra». Manaraka izany ny andininy faha-18 dia manambara fa ao anatin`ny dingana atao ``dedoublonnage`` tanteraka ny CENI sy ny mpikambana ao amin’ny vaomiera ifotony mpanisa mpifidy na ny C.L.R.E ìzay anisan’ny mandray anjara feno amin’ny fanaraha-maso ny fikirakirana ny lisitra sy ny famaranana vonjimaika ny lisi-pifidianana, miaraka ireo filohan’antoko politika mba hanamarina ny lisi-pifidianana. Ity lisitra ity mantsy no anisan’ny nampisy olana hatrany teo aloha nandritra ny fifidianana. Manentana ny olom-pirenena rehetra hanamarina ny anarany sy ny mombamomba azy ao anatin’ny lisi-pifidianana ny CENI satria io no antoka ahafahan`ny tsirairay mandray anjara feno amin’izay fifidianana ho avy.
Misedra olana
Misedra olana ny Ceni teo amin’ny tsy fahavitrihan’ny olona noho ny serasera marefo. Maro ihany koa ireo tsy manana kara-panondro satria tsy manana kopia nahaterahana. Ny volana novambra lasa teo no vao natomboka ilay hetsika ``Fitsarana mitety vohitra`` kanefa aim-pirenena ity fisoratana anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana ity. Hiezaka hatrany ny CENI hanatratra ilay isan`ny mpifidy ho 10 tapitrisa kanefa ny fanjakana foibe dia toa manisy sakana ary efa mandondona an`ity vaomiera ity mba hamarana faran`izay haingana ny fisoratana anarana. Tamin`ny fifidianana 2013 teo dia mpifidy 2 tapitrisa teo dia efa ampy nampandresy an`Atoa Hery Rajaonarimampianina tamin`ny fifdianana filoham-pirenena. Izao anefa ny CENI dia manentana hatrany mba hitombo ny isan`ny mpifidy ka sarotra ho an`ny antoko HVM no handresy raha tonga maro ireo mpifidy. Tanjon`ny CENI rahateo ny fahatokisan`ny besinimaro ny voka-pifidianana, ny fanomezana eo amin`ny fiainam-pirenena sy ny sehatra iraisam-pirenena mba ahafahana hampanjary ny manodidina rehetra momba ny fifidianana. Na izany aza, mipetraka ny ahiahin`ny olom-pirenena ny amin`ny tsy fananan`ity Vaomiera ity fahaleovantena tanteraka na ny sehatra iraisam-pirenena na eo amin`ny fitondrana. Marihina fa ny fanjakana malagasy no manohana an`ny CENI amin`ny alalan`ny Basket Fund izay vatsin`ireo mpamatsy vola. Fa izay mandoa vola ve no tompon-draharaha e ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.